Andriamanafotsarivo

Avy amin'i Wikipedia

Andriamanafotsarivo dia mpanjaka bara nandimby an' Andriamanely rainy tao Ranotsara Avaratra. Ratsimive no zandriny, izay lasa nipetraka tany amoron’ Ionaivo. Taty aoriana dia niverina Ratsimive nanao izay hanilihana an-jokiny sy handraisana ny fanjakana. Resy Andriamanafotsarivo ka nandositra tany amin' ny mpanjakan' ny Tanala izay havan' i Vohilakatsy reniny. Maty tamin' izany ny iray amin' ireo zanan, ka mba hamaliana faty ny zanany dia lasa Rambahira vadin’ Andriamanafotsarivo, niantso ny Sakalava havany tany Betsiriry hanampy azy amin' ny fanafihana an-dRatsimive. Dia raikitra ny ady ka matin-dRamitongoa, zakan' Andriamanafotsarivo, tamin' izany Ratsimive. Tafaverina teo amin' ny fitondrana tao Ranotsara indray Andriamanafotsarivo. Ramitongoa no nandimby an' Andriamanafotsarivo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjaka bara: