Ratsimamotoa

Avy amin'i Wikipedia

Ratsimamotoa dia mpanjakan' ny Bara Iantsantsa, rahalahin' i Tonanahary sy Ratsimivily, zanak' i Rakitroka Ratsileondrafy, mpanjaka bara koa. Tamin’ ny ady nataony tamin’ ny Merina dia lasan-ko babo ny anankiray tamin' ny vadin-dRatsimamotoa ary voalaza fa matin’ alahelo noho izany izy ary namela kamboty anankiray natao hoe Imasoandro. Imasoandro no nandimby an-drainy tao Ivohibe.

Nandimby an’ Imasoandro indray dia i Tsimanompo. Mbola niady ny Tsienimbalala ihany indray i Tsimanompo. Nony resy ny Tsienimbalala dia lasa nifíndra any am-badika andrefan’ Analavelona. Rainibahy no nandimby an’ i Tsimanompo. Nanampy an’ Impoinimery izy tamin’ ny adin’ ny Bara sy ny Masikoro. Nahay niaro ny fahaleovantenany ireo mpanjaka telo mianaka nifandimby ireo. Nasiaka sy nahery setra anefa Rainibahy ka naongan’ ny vahoaka tamin’ ny taona 1887. Isambo no nandimby azy. Nalaza tamin’ ny fanoherana ny Frantsay Isambo ka tamin’ ny taona 1897 vao resy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjaka bara: