Tonanahary

Avy amin'i Wikipedia

I Tonanahary dia mpanjakan’ ny Bara Be. Mpanjaka nahery setra sady be rehareha i Tonanahary ka tsy tian' ny olony. Nanao zava-pady nahatezitra indrindra ny rahalahiny izy tamin' ny nakany ny anankiray tamin’ ny vadin-drainy nilaozany maty. Tezitra Ratsimivily sy Ratsimamotoa rahalahiny ka notafihiny i Tonanahary ary resiny. Taorian’ io ady io dia lasan-dRatsimamotoa i Ranotsara ary Ihosy kosa lasan-dRatsimivily. Nony resy Tonanahary dia nanatona an’ i Varamena, mpanjakan' ny Tanala nitady fanampiana taminy hiverenany amin’ ny fanjakany novolany tamin-drainy. Nohararaotin-dRatsimivily ny tsy naha-teo an-toerana azy ka noravany sy nobaboiny i Mikaiky, renivohitr’ i Tonanahary. Lasa babo ny iray tamin’ ny zanany.

Tezitra sy nalahelo mafy Tonanahary ka lasa nankany Antananarivo nitaraina tamin-dRadama. Tsy nanapaka hevitra avy hatrany Radama fa mbola nampiantso an-dRatsimivily koa mba handrenesany izay lazainy.

- Nesorinay tamin’ ny fanjakana navelan’ ny rainay izy, hoy Ratsimivily, satria nanala baraka ny rainay tamin’ ny nanambadiany ny vady navelany, izay reninay.

Nony ren-dRadama izany dia sady tsy nanome rariny an’ i Tonanahary izy no tsy nanampy an-dRatsimivily. Nohararaotiny aza ny adin’ izy telo mirahalahy (Tonanahary sy Ratsimivily ary Ratsimamotoa) mba hametrahana miaramila tany Bara. Koa nandefa an-dRainiharo nitondra miaramila zato lahy izy ka nametraka azy tao Ihosy. Nasainy nampandry tany sy nanala ny fiadiana rehetra tany amin’ ny mponina hatrany Ranotsara ireo miaramila tao Ihosy ireo.

Niteraka dimy mirahalahy i Tonanahary ka Rasalea (atao hoe koa Retsila na Ramarato) sy Ramieba no nalaza indrindra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjaka bara: