Mpamaritra tompon-javatra

Avy amin'i Wikipedia

Ny mpamaritra tompon-javatra dia teny ampiraisina amin' ny anarana mba hilazana ny fifadraisan' ny olona na zavatra tondroin' io anarana io amin' ny olona na zavatra hafa manam-pifandraisana manokana aminy nefa tsy tononina ny anaran' ity farany (fa efa soloan' ilay mpamaritra). Tsy voatery mahakasika ny fananana izany fa mety ho fifandraisam-pifamenoana (ny asa sy mpanao ny asa, ny asa sy ny iharan' ny asa, ny toetra sy ilay manana io toetra io, ny toerana sy izay hita amin' io toerana io, sns) izay azo naseho ara-pitsipiteny amin' ny alalan' ny anjara asa mifameno (ny mpanao sy ny iharana, ny mpanao sy ny toejavatra, sns). Mifandray akaiky amin' ny mpisolo tompon-javatra ny mpamaritra tompon-javatra. Tsy ny teny rehetra no ahitana mpamaritra tompon-javatra amin' ny maha sokajin-teny azy.

Indreto ny mpamaritra tompon-javatra ao amin' ny teny frantsay: mon, ton, son, ma, ta, sa, notre, votre, leur, mes, tes, ses, nos, vos, leurs. Indreto kosa ny mpamaritra tompon-javatra ao amin' ny teny anglisy: my, our, your, his, her, its, their.

Ny teny malagasy dia anisan' ireo fiteny tsy manana izany sokajin-teny izany fa mampiasa ny endrika tampisaky ny mpisolo tena mba hilazany io fifandraisana "tompon-javatra" io (ohatra: hitako, masoko, hitanao, masonao, hitany, masony, hitantsika, masontsika sns.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]