Môdalisma

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Modalisma)

Ny môdalisma izay atao hoe koa sabelianisma dia firehana teôlôjika kristiana izay mampianatra fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia fiseho samy hafan' ny persôna tokan' Andriamanitra fa tsy persôna telo akory. Iray amin' ireo endriky ny mônarkianisma (na mônarsianisma) ny môdalisma. Izany dia nampianaran' i Sabelio tao Rôma tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-3.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe môdalisma dia fanagasian-teny avy amin' ny teny latina hoe modus izay midika hoe "fomba" na "fomba fisehoana" ary ny hoe sabelianisma dia avy amin' ny anaran' ilay pretra sy teôlôjiana atao hoe Sabelio na Sabeliosy (latina: Sabellius).

Ny fampianarana ny môdalisma[hanova | hanova ny fango]

Tsy mampiasa ny teny hoe persôna i Sabelio raha miresaka ny amin' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay inoan' ny fiangonana ôfisialy fa miray fomba (na fiziana na natiora na sobstansa) ao amin' ny Trinite.

Amin' ireo môdalista dia tsy persôna telo ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina fa fomba fisehon' Andriamanitra ka ny Ray no persôna tokan' Andriamanitra. Araka io fampianarana io dia manondro an' Andriamanitra izay tonga nofo tao amin' i Jesoa ny teny hoe Ray sy Fanahy Masina.

Ny teny hoe Ray sy Zanaka, hoy ireo Môdalista, dia ampiasaina mba hanavahana ny fihoa-drahan' Andriamanitra sy ny fahatongavany ho nofo. Satria fanahy Andriamanitra dia tsy tokony hoheverina ho zavatra mahaleo tena hafa ny Fanahy Masina fa fomba fisehon' Andriamanitra miasa.

Mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa ny Môdalista sady mino fa fisehoan' i Iahveh, ilay Andriamanitra resahina ao amin' ny Testamenta Taloha, mitafy nofo, ka noho izany dia tokony hivavahana araka ny fivavahana amin' Andriamanitra tokana i Jesoa.

Ny fanamelohana ny môdalisma[hanova | hanova ny fango]

Niely tany Kirenaika ny hevitr' i Sabelio ka izany no nahatonga an' i Demetriôsy (na Demetrio), patriarkan' i Aleksandria, hanoratra taratasy hanoherany ilay fampianarana. Notsipahina tamin' ny kônsily tao Rôma tamin' ny taona 262 ny sabelianisma.

Ny môdalisma amin' izao fotoana izao[hanova | hanova ny fango]

Ny pentekôtisma apôstôlika, izay ahitana fiangonana maromaro, dia mampianatra ny môdalisma. Rehefa manao batisa izy ireo dia tsy mampiasa ny anaran' ny persôna telon' ny Trinite (Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina) fa ny anarana hoe Jesoa dia ampy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]