Aller au contenu

Mihoatra ny natoraly

Avy amin'i Wikipedia

Ny ambonin' ny ara-boajanahary na mihoatra ny natoraly na sopernatoraly dia trangan-javatra na zavatra tsy fehezin' ny lalànan' ny natiora sy tsy azo hazavaina amin' ny alalan' izany, amin' ny fomba voasaina, ka tsy azo halalinina amin' ny alalan' ny fomba fiasa siantifika, na amin' ny fomba fiasa misy fanandramana. Na dia nisy dikany maro aza ny teny hoe "natiora" nanomboka tamin' ny Andro Taloha dia nipoitra tamin' ny Andro Antenatenany ny teny izay adika hoe "ambonin' ny natoraly" ary tsy nisy tamin' ny Andro Taloha.

Satria tsy misy ny fanazavana, indraindray dia lazaina fa avy amin' Andriamanitra (ohatra, ny fahagagana) na avy amin' ny fandraisana anjaran' ny demonia, na avy amin' ny fanahy (matoatoa, ny tromba), na ny fanao "majika". Ny mpanoratra sasany dia manokana an' io teny io ho an' ny trangan-javatra lazaina fa avy amin' ny antony ara-panahy na avy amin' Andriamanitra toy ny fahagagana, tsy mampiasa izany amin' ny trangan-javatra avy amin' ny antony tsy fantatra tsara nefa ao amin' ny tontolo voajanahary (na natoraly) toy ny psikisma, ny parapsikôlôjia, ny famosaviana na ny spiritisma. Ampiasain' ny Eglizy Katôlika amin' io heviny io ny teny hoe "ambonin' ny voajanahary". Na izany aza, ny trangan-javatra sasany heverina ho ambonin' ny natoraly tany aloha dia tsy heverina ho toy izany intsony, ohatra ny loza voajanahary.

Fahita ao amin' ny literatiora ny lohahevitra sy ny zavaboary mihoatra ny natoraly, indrindra amin' ny karazan-dahatsoratra misy zava-mahagaga.

Aseho ao amin' ny fanaom-bahoaka sy ao amin' ny fivavahana ny sopernatoraly, nefa azo entina anazavana toe-javatra tsy ara-pivavahana koa, toy izay hita amin' ny finoanoam-poana na finoana ny paranôrmaly. Io teny io dia ilazana ny zavatra tsy azo tsapain-tanana satria tsy ara-batana, toy ny anjely, ny demony, ny andriamanitra ary ny fanahy. Tafiditra ao anatin' izany ihany koa ny fahaiza-manao izay heverina fa omen' ny zavatra-manan-tsitrapo toy izany, ao anatin' izany ny mazia, ny telekinezia, ny fitsingevana (levitation), ny fahitana mialoha ny hoavy, faminaniana, ary ny fahatsapana tsy amin' ny fitaovam-pandrenesana.

Mihoatra sy mahafaoka ny fivavahana ny sopernatoraly. Fomba fijery izao tontolo izao sopernatoralista manara-penitra (manaiky ny fisian' ny zavatra mihoatra ny natoraly) ny fivavahana, na farafaharatsiny izay fenofeno kokoa noho ny fomba fijery sopernatoralista mitsitokantokana. Fanekena ny sopernatoraly (finoana, fa tsy ny fandikana ny fifandraisan' antony na ny lalàna fizika) ny sopernatoralisma.