Tromba

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny tromba, araka ny finoan-drazana malagasy, dia fanahy na avelon' ny mpanjaka efa maty na ny taranany, na avelon' olona nanan-daza teo amin' ny mpiara-belona taminy fahizay ka mitoetra miaraka aminy; mbola manohy ny fanapahany ny velona amin' ny alalan' ny findramany ny tenan' ny olona iray mbola velona ny mpanjaka raha fanahin' ny mpanjaka no mipetraka ao amin' ilay olona lisy tromba . Miteny amin' ny alalan' io olona misy tromba io ilay fanahy. Any amin' ny faritra sakalava no tena ahitana izany nefa miely eran' i Madagasikara ihany koa izany finoana izany. Antsa aman' amponga sy angorodao no atao handihizan' ilay olona misy tromba sady hitokavana ilay fanahy mba hiditra ao aminy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]