Aller au contenu

Fomba fiasa siantifika

Avy amin'i Wikipedia

Ny fomba fiasa siantifika dia fitambarana fitsipika ankapobeny mitari-dalana na natao hitari-dalana ny fizotran' ny famokarana fahalalana siantifika, na fandinihana izany, na fanandramana, na fanjohian-kevitra, na kajy teôrika.

Matetika ny teny hoe "fomba fiasa" na "paika voasaina" dia ahitana ny hevitra an-kolaka momba ny maha tokana azy, na eo amin' ny sarambabem-bahoaka na eo amin' ny mpikaroka sasany, izay indraindray mampifangaro azy amin' ny fomba fiasa misy petra-kevitra aman-tsoa-kevitra fotsiny. Ny fandalinana ny fomba fanaon' ny mpikaroka anefa dia maneho ny fisian' ny fomba fiasa sy fitsipi-pifehezana ara-tsiansa samihafa izay mahatonga ny fiheverana momba ny firaisan' ny fomba fiasa ho olana tokoa.

Tsy tokony ho raisina ho fisian' ny samy maka ho azy amin' ny lafiny epistemôlôjia anefa io filazana ny zava-misy io. Manahirana ny fanontaniana momba ny firaisan' ny fomba fiasa, izany anefa tsy mamerina ny fanontaniana momba ny fisian' ny vondrom-pitsipika marobe mifehy ny fomba fiasa izay tsy maintsy arahin' ny mpikaroka eo amin' ny fomba fanaony ara-tsiansa.