Aller au contenu

Kristianina

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Kristiana)
Ilay jono mahagaga, sary nataon' i Raphael, (1515)

Ny Kristiana na Kristianina dia olona manaraka ny fampianarana sy ny fomba araka ny voalazan' ny Baiboly, indrindra fa araka ny voalazan' ny Filazantsara na Evanjely izay milazalaza momba ny fiainanan' i Jesoa Kristy na Jesosy Kristy sy ny fanarahana azy. Ho an' ny Fiangonana kristiana maro dia anisan' ny maha Kristiana ny finoana an' i Jesoa Kristy ho Andriamanitra. Ilazana ny zavatra momba ny fivavahana kristiana, toy ny fiangonana sy ny teôlôjia sy ny finoana sns. ny mpamari-toetra hoe kristiana na kristianina.

Ivon' ny finoana kristiana ny Vaovao Mahafaly, izay milaza fa ny olombelona dia manana fanantenana ny fanavotana amin' ny alalan' ny fampianaran' i Jesoa Kristy, ny fahafatesany teo amin' ny hazo fijaliana ary ny fitsanganany tamin' ny maty. Ho an' ny Kristianina, i Jesoa no Mesia nambara ao amin' ny Baiboly hebreo ary ao amin' ny Trinite Masina, miaraka amin' ny Ray sy ny Fanahy Masina.

Miisa 2,5 lavitrisa ny Kristianina tamin' ny taona 2020, izay mizara ho antokom-pinoana telo lehibe: Katôlika sy Ôrtôdôksa ary Prôtestanta. Ny sasany amin' izy ireo dia mikatsaka firaisankina amin' ny alalan' ny ekiomenisma, ny hafa mandà izany.

Fiforonan-teny

[hanova | hanova ny fango]

Avy amin' ny teny latina hoe Christianus na ny teny grika hoe Χριστιανός / Khristianos, izay manondro ny mpanaraka ny fampianaran' i Kristy, ny teny hoe kristiana na kristianina. Ny teny hoe Kristy indray dia avy amin' ny teny latina hoe Christus na grika hoe Χριστός / Khristos izay fandikana ny teny hebreo hoe מָשִׁיחַ / Mashiah (nogasina ao amin' ny Baiboly malagasy hoe Mesia) izay midika hoe "voahosotra", izany hoe "voahosotr' Andriamanitra". Ara-bakiteny dia "mpanaraka ny fampianaran' ilay Voahosotr' Andriamanitra" ny Kristiana.

Ny teny hebreo anondroana ny Kristiana dia נוצרים / Notzrim izay enti-milaza olona avy any Nazareta (hebreo: נָצְרַת / Natzrat) na mpomba an' ilay avy any Natzrat. Amin' ny Jiosy izany, ny Kristiana dia ny olona manaraka an' ilay avy any Nazareta, fa tsy ny mpanaraka an' ilay Voahosotra, satria aminy dia tsy i Jesoa no Mesia (Mashiah) na Kristy (Khristos).

Finoan' ny Kristiana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Kristiana dia manantena ny fanafahana vokatry ny fampianaran' i Jesoa Kristy, mino ny fahafatesany teny amin' ny hazo fijaliana (lakroa) sy ny fitsanganany amin' ny maty. Mino koa ny Kristiana fa i Jesoa no Mesia nampanantenaina hatry ny elabe ao amin' ny Baiboly hebreo (ny Testamenta Taloha) sady Zanak' Andriamanitra nirahin' ny Rainy hamonjy ny olombelona. Mino ny amin' ny Trinite, Andriamanitra Telo Izay Iray, ny ankamaroan' ny Kristiana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]