Aller au contenu

Krômita

Avy amin'i Wikipedia
Krômita

Ny krômita na kraomita dia karazana mineraly ao amin' ny vondron' ny spinela; izy io dia ôksida-na krôma sy vy, misy soritra maneziôma, manganezy, fanitso ary viraty, izay manana raikipohy simika FeCr2O4 (na FeO.Cr2O3), izay mivaingana ho kristaly. Ny kristaliny tsy fahita firy dia mety hahatratra iray santimetatra. Manana hamafy 5,5 sy hakitroka 4,1 hatramin' ny 4,8 izy. Ny krômita no akora fahazoana ny krôma. Ny krômita dia mamorona andiana miaraka amin' ny hersinita (FeAl2O4) andaniny, sy amin' ny maneziôkrômita (MgCr2O4) ankilany. Ny tahiry krômita lehibe dia hita any Kazakstàna, any Torkia, any Zimbaboe, any Aotrisy ary any Iôgôslavia teo aloha. Ny krômita amin' izao fotoana izao dia trandrahana mba hanamboarana tsỳ tsy mety harefesina, amin' ny alalan' ny famokarana ferôkrôma (FeCr), izay tsaman' ny vy sy ny krôma.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]