Joahaza (mpanjakan'i Israely)

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

I Joahaza na Joakaza dia zanak'i Jeho sady mpanjakan'i Israely tamin'ny taona 814 hatramin'ny 798 tal. J.K. Nanjaka nandritra ny 17 taona izy tao Samaria rehefa nandimby an'i Jeho rainy teo amin' ny fitondrana. Ny zanany atao hoe Joasy na Joasa no nandimby azy. Tsy afangaro amin'i Joahaza na Joakaza mpanjakan'i Jodà izay mitovy anarana aminy izy.

Amin'ny teny hebreo dia hoe יְהוֹאָחָז / Yehoakhaz izy fa amin'ny teny grika kosa dia atao hoe Ιωαχαζ / Iôakhaz ary amin'ny teny latina dia atao hoe Ioachaz. Ny Baiboly protestanta malagasy no ahitana ny hoe Joahaza fa ny Baiboly katolika malagasy kosa manoratra hoe Joakaza.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]