Jane Collins (misiônera)

Avy amin'i Wikipedia
I Jane Collins sy i Mounir Aziz Daoud

I Jane Marie Collins dia vehivavy evanjelista sy misiônera mitety tany izay nanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eto Madagasikara, niaraka amin' ny vadiny Mounir Aziz Daoud. Teraka tamin' ny 28 Jona 1912 tao Dallas Texas any Etazonia ary maty tao Antananarivo eto Madagasikara tamin' ny taona 1999 Ramatoa Jane Collins.

Zanakavavin' i Frederick Eugene Collins sy Annie Charlata Neilson izy. Evanjelistra niasa maneran-tany izay nitory tany amin' ny tany maro nandritra ny am-polo taona maro. Nahasarika olona an-tapitrisany maro tany amin' ny faritra Atsinanana Afovoany, taty Afrika, tany Azia, tany Amerika Atsimo, sns ny fitoriana nataony. Fahagagana maro no voalaza fa nitranga tamin' ny fivoriana nataony. Izy sy ny vadiny Mounir Aziz Daoud dia nitarika ny International Bible Association ("Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Baiboly") izay nizara Baiboly tamin' ny fiteny maro.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

I Jane Collins dia efa misônera za-draharaha, niasa enin-taona tany Però nalefan' ny Fiangonan' Andriamanitra, any Etazonia, tamin' ny fihaonany tamin' ny taona 1952 nandritra ny fitoriana ny filazantsara any Ejipta. Izy dia nanao asa fitoriana ny filazantsara miaraka amin' ny vadiny, nanomboka tamin' ny taona 1953 tamin' ny anarana hoe The Voice of Miracles and Missions (ankehitriny International Bible Association). Nanapa-kevitra i Jane Collins miaraka amin' ny vadiny Mounir Aziz Daoud hanao fitoriana ny filazantsara eto Madagasikara tamin' ny taona 1961.

Ity evanjelista ity, raha ny marina, dia anisan' ireo mpitory teny pentekôtista malaza tany Amerika Avaratra. Mbola tsy nanambady izy raha nitory teo anatrehan' ny mpihaino an' arivony tany Ejipta sy tany Etiôpia izy tamin' ny taona 1952. Efa nanambady izy tamin' ny izy nitory any India tamin' ny taona 1953-1954. Izy ihany koa no nihaika ny vahoaka malagasy tamin’ ny kônferansa lehbe voalohany tamin’ ny taona 1961 tany amin’ ny manodidina an’ Antananarivo sy teny amin’ ny tsenan' i Fenoarivo.

Rehefa avy nanorina, tamin’ ny Jolay 1963, ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, izay fiangonana pentekôtista voalohany teto Madagasikara izy mivady, dia nanangana sekoly fianarana Baiboly mba hanofanana ny mpitandrina malagasy hiasa ho an' ilay fiangonana, ka i Jane Collins izay, nanam-pahaizana ara-teôlôjia avy tao amin' ny Fiangonana ' Andriamanitra no nisahana ny fampianarana. Ny asa fanompoana dia niarahan' izy mivady izay mikendry ny fitoriana ny filazantsara maneran-tany. I Jane sy i Mounir Aziz Daoud dia anisan' ny hetsika natomboka tamin' ny tapaky ny taompolo 1940.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]