Pentekôtisma eto Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia

Ny pentekôtisma eto Madagasikara dia fisehon' ny pentekôtisma nentin' ny misiônera isan-karazany teto Madagasikara sady notohizan' ny tompon-tany, ka ny malaza amin' ireo misiônera ireo dia i Mounir Aziz Daoud sy Jane Collins vadiny izay nanangana ny Fiangonana Jesosy Maomonjy; i Euclides Arlindo Silva sy ny vadiny Gudrun Maria Ling izay nanorina ny Fiangonan' Andriamanitra na Assemblée de Dieu eto Madagasikara; i Denzil sy Freida Richardson izay nanangana ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra; ary i Jules Randrianjoary izay nanangana ny Fiainana ao amin’ i Kristy.

Ny fiangonana pentekôtista misy eto Madagasikara[hanova | hanova ny fango]

Ny Fiangonana Jesosy Mamonjy[hanova | hanova ny fango]

Fiangonana kristiana miorina eto Madagasikara sady efa miely any ivelany koa ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, izay niorina ara-panjakana tamin' ny taona 1963, taorian' ny asa fitoriana ny Filazantsara nataon' ny misiônera amerikana Mounir Aziz Daoud sy Jane Collins vadiny. Eo Ankorondrano, Antananarivo no misy ny foibeny. Manana trano fiangonana mihoatra ny 1 000 izy tamin' ny taona 2019 ary manana mpitandrina sy mpianatra ao amin' ny Sekoly ara-Baiboly ary mpino mihoatra ny 2 000, miara-miasa, mitandrina amin' ireo fiangonana ireo sy ny zana-piangonana tsy mbola nahavita trano.

Ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra[hanova | hanova ny fango]

Fiangonana kristiana eto Madagasikara ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra izay notarihin' ny misiônera Chris Richardson mivady tany am-boalohany, tamin' ny taona 1970. Ao Ambohidratrimo Antananarivo no misy ny tobin' io fiangonana io. Efa manana fiangonana manodidina ny 1 000 eo ho eo eto Madagasikara izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]