Isa voatsapa
Ny isa voatsapa, ao amin' ny matematika, dia isa miiba na miabo azo ampiasaina handrefesana ny habe mitohy tokan-dafy toy ny elanelana, ny faharetana na ny mari-pana. Eto, ny hoe "mitohy" dia midika fa mety misy fahasamihafana kely dia kely araka izay itiavana azy ny sanda roa samihafa.
Isa azo aseho amin' ny ampahany tsimivaky misy eva miabo (+) na miiba (-), sy tandahatra tarehimarika isa tafolo misy fetra na tsy manam-petra, ny isa voatsapa. Ity famaritana ity dia manitatra ny amin' ny isa tafolo amin' ny alalan' ny fampidirana ny isa voasaina, izay ahitana ampahany tafolo mitsingeringerina avy amin' ny laharana iray, ary koa isa hafa manaiky ny famoarana tafolo tsy mitsingeringerina sady antsoina hoe tsivoasaina, toy ny faka faharoan' ny 2, π ary e.
Nipoitra tsikelikely ny fahalalana tsotsotra momba ny isa voatsapa avy amin' ny fikirakirana ny tahan' ny habe jeômetrika ankoatra ny tahan' ny isa nanahary hatramin' ny fandinihan' i Eodôksôsy avy any Knidiôsy tamin' ny taonjato faha-4 tal JK.
Ampahany amin' ny fadrikitana ny vahan' ny olana aljebrika maro koa izany fahalalana izany ary niteraka ny fampiharihariana isa mihoadraha, tamin' ny tapaky ny taonjato faha-19. Natao am-polo taona vitsivitsy taty aoriana anefa ny famaritana ny isa voatsapa anefa, niaraka amin' ny fananganana nataon' i Dedekind andaniny sy i Cantor sy Méray ankilany.
Araka ny mahazatra, ny vondron' ny isa voatsapa dia tondroina amin' ny litera R na ℝ, fanafohezana ny teny frantsay hoe réel, nampiasain' i René Descartes tamin' ny taonjato faha-17, manavaka ny isa voatsapa amin' ny isa an-tsaina toy ny faka faharoan' ny isa −1. Ny isa voatsapa dia ahitana ny isa voasaina, toy ny isa tsimivaky −5 sy ny ampaha 4 / 3. Ny isa voatsapa sisa rehetra dia antsoina hoe isa tsivoasaina. Ny isa tsy voasaina sasany (ary koa ny isa voasaina rehetra) dia fakan' ny maromiantiana misy lanjan' isa tsy vaky, toy ny faka faharo √2 = 1,414...; ireo no atao hoe isa aljebrika. Misy koa isa voatsapa izay tsy toy izany, toy ny π = 3,1415...; ireo no antsoina hoe isa mihoadraha.