Aller au contenu

Isa tsivoasaina

Avy amin'i Wikipedia
Ny isa Pi (na π)

Ny isa tsivoasaina dia isa voatsapa izay tsy anisan' ny isa voasaina, tsy azo soratana amin' ny endrika ampaha a/b, ka amin' io dia samy isa tsimivaky ny a sy ny b (ary ny b dia tsy mira aotra). Ny isa tsivoasaina dia isa voatsapa izay tsy mitsingeringerina ny tarehimarika mitandahatra ao ankavanan' ny faingo na tsy misy fetra ny fitandaharana ampaha anehoana azy.

Amin' ireo isa tsivoasaina ireo dia mitsinjara amina zana-bondrona roa mifameno: dia ny an' ny isa aljebrika tsy voasaina sy ny isa mihoadraha. Ny isa aljebrika dia faritana ho fakan' ny maromiantoana misy lanjan' isa voasaina; ity vondrona azo isain-tsinga ity dia miaty ny isa voasaina rehetra sy ny isa tsivoasaina sasany ihany koa. Ny isa tsy aljebrika, toy ny π sy e, dia antsoina hoe isa mihoadraha; isa tsivoasaina daholo izy ireo. Na izany aza, ny vondron' isa tsivoasaina maro nohalalinina tamin' ny fomba mahazatra dia afaka mamondrona ny isa aljebrika sy ny isa mihoadraha; toy izany, ohatra, ny isa votsapa azo kajina. Heverina ihany koa fa misy ny isa manara-penitra aljebrika, ary fantatra ny sasany mihoadraha amin' izy ireo.

Ny isa tsivoasaina voalohany nisy nahita dia ny faka faharoan' ny isa tsimivaky izay tsy isa toradroa tonga lafatra, anisany ny √2, izay fantatra tamin' ny Andro Taloha ny maha tsivoasaina azy; amin' ny ankapobeny, ny isa azo amboarina tsivoasaina, izay ampahany amin' ny isa aljebrika izay ahitana, ankoatry ny hafa, ny isa volamena, dia manana ny lanjany ara-tantara satria mifandray amin' ny olana momba ny fanorenana mampiasa fitsipika (fanipihana) sy kompà izay ilaina tanteraka tamin' ny fanaovana jeômetria tamin' ny andron' i Eoklida.

Ny maha tsivoasaina ny π sy ny e dia niorina tatỳ aoriana be, tamin' ny taonjato faha-18; ireo no isa voalohany mihoadraha izay voaporofo ny maha tsivoasaina azy. Naseho koa tamin’ ny taonjato faha-19 fa saika ny isa voatsapa rehetra no tsivoasana, ary mihoadraha mihitsy aza. Tamin' ny taona 2018, tsy fantatra ny satan' ny isa tsimiova manan-danja maro toy ny isa tsy miovan' i Euler.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]