Heroda Lehibe

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
I Heroda Lehibe

I Heroda Lehibe na Heroda I Lehibe dia mpanjakan'i Jodea (na Jodia) izay notohanan'ny Romana sady lazaina ao amin'ny lovantsofina jiosy sy kristiana fa mpanjaka nanao didy jadona sy ratsy fanahy. Teraka tamin'ny taona 73 tal. J.K. sady maty tamin'ny taona 4 taor. J.K. izy. Nanomboka tamin'ny taona 37 tal. J.K. ka nifarana tamin'ny taona 4 taor. J.K. ny fanjakany.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

I Heroda Lehibe dia atao hoe הוֹרְדוֹס הַגָּדוֹל / Horedos haGadol amin'ny teny hebreo, sy Ἡρῴδης ὁ Μέγας / Hêrôdês ho Mégas amin'ny teny grika, ary Caius Iulius Herodes amin'ny teny latina.

Ny fianakaviany[hanova | hanova ny fango]

Isan'ny taranaka mpanjaka atao hoe Herodiana i Heroda Lehbe. Teraka tamin'ny taona 73 tal. J.K. sady maty tamin'ny taona 4 taor. J.K. izy. Teraka tao Palestina atsimo i Heroda ary Arabo ny ray aman-dreniny. I Antipatrosy no rainy ary i Kiprosy no reniny.

Ireto avy ireo vehivavy novadiny sy ny zanany tamin'izy ireo:

  1. i Dorisy (na Dorida), renin'i Antipatera II (na Antipatrosy II);
  2. i Mariamna Hasmoneana (na Mariamna I), renin'i Aristobola IV sy Aleksandra;
  3. i Mariamna II, renin'i Heroda Boetosy (na Heroda II);
  4. i Maltake, renin'i Heroda Antipasy sy Heroda Arkelaosy ary i Olimpiasy;
  5. i Kleopatra avy ao Jerosalema (renin'i Heroda Filipo II), renin'i Heroda Filipo (na Filipo Tetrarka) sy Heroda IV;
  6. i Palasy,
  7. i Fedra
  8. i Elpida.

Ny tantarany[hanova | hanova ny fango]

Teraka tao Palestina atsimo i Heroda ary Arabo ny ray aman-dreniny. I Antipatrosy no rainy izay notendren'i Jolio Kaisara tamin'ny taona 47 tal. J.K. ho mpanapaka an'i Jodea. I Pompeio Lehibe dia efa nanongana azy tao amin'ny fanjakan-taranaka hasmoneana. Na dia nanohitra aza ny Hasmoneana dia nanaiky an'i Heroda ho mpanjaka talin'ny taona 39 tal. J.K. ny Antenimierandoholona romana, nefa tsy tena nanomboka nanjaka izy raha tsy tamin'ny taona 37 tal. J.K. Nanamafy ny fahefany manoloana ny Jiosy izy tamin'ny nanambadiany an'ilay andriambavy asmoneana atao hoe Mariamna izay nampamonoiny taty aoriana tamin'ny taona 29 tal. J.K.

Nokorontanin'ny ady nisy teo amin'ireo antoko jiosy roa, dia ny Sadoseo (na Sadoseanina) sy ny Fariseo (na Farizianina) ny fiandohan'ny fotoana nanjakan'i Heroda, nanampy trotraka koa ny tsy hafaliam-pon'ireo taranaka hasmoneana sisa izay niombona tamin'ny mpanjakavavin'i Egipta atao hoa Kleopatra. Nandresy ihany i Heroda tamin'ny farany indrindra noho ny faharesen'i Kleopatra sy i Marko Antonio nanoloana an'i Kaio Oktavio (ilay nananajary emperora taty aoriana, dia i Aogosto). Na dia nanohana an'i Marko Antonio aza i Heroda tamin'ny adiny tamin'i Oktavio, dia nanohana an'i Heroda ho mpanjaka i Oktavio tamin'ny taona 31 tal. J.K. satria nihevitra ity farany fa hanapaka araka ny baikon'i Roma i Heroda.

Rehefa maty i Heroda dia nizara telo tamin'ireo zanany lahy telo i Jodea, dia i Heroda Antipasy sy i Arkelaosy ary i Heroda Filipo II. Na dia nanaraka ny fombam-pivavahana jiosy aza i Heroda, ary na dia teo aza ny fiezahany hahazo ny fankasitrahan'ny Jiosy, dia tsy tian'ny Jiosy i Heroda noho izy Jentilisa sady sakaizan'ny Romana.

Lapa avaratr'i Masada namboarin'i Heroda Lehiba tamin'ny taona 25 tal. J.K.

Zava-bitany[hanova | hanova ny fango]

Teo anelanelan'ny taona 25 sy 13 tal. J.K. dia niroborobo ara-toekarena i Jodea. Nanao asa fanborenana maro i Heroda, ka isan'izany fanorenana teratra sy anfiteatra ary toeram-pilalaovana tao Jerosalema sy tao Jeriko ary tao Kaisarea (na Sezarea na Kaisaria) mba hanomezam-boninahitra an'i Aogosto. Nanamboatra na nanao fanarenana toeram-pamaharana i Heroda mba hiarovany an'i Jodea amin'ny fanafihan'ny Arabo. Isan'ny namboariny koa i Masada. Nanao fanitarana ny Tempolin'i Jerosalema izy izay nantsoina hoe Tempolin'i Heroda rehefa vita. Ratsy fiafara ny fanjakany noho ny fisian'ny fiokoana tao an-dapa ka nahafaty azy tamin'ny taona 4 taor. J.K.

I Heroda Lehibe dia voalaza ao amin'ny lovantsofina kristiana, araka ny Evanjelin'i Matio (Mat. 2.16) ho nandripaka zazalahy kely tsy manan-tsiny mba hahafaty an'i Jesosy zaza tao Betlehema.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]