Herodiana (fianakavia-mpitondra fanjakana)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Herodiana (fianakavia-mpanjaka))

Ny Herodiana na dinastia herodiana dia fianakavia-mpanjaka manam-piaviana idomeana. Ny ankamaroan'ny mpanjaka tao amin'io fianakaviana io dia nanapaka tao Palestina sy Israely. Ny mpanjaka herodiana farany tao Israely dia i Heroda Agripa II.

Matetika dia ampiasaina ny teny hoe "herodiana" mba hanondroana vanimpotoana, indrindra momba an'i Palestina.

Ny tena nalaza tamin'ireo Herodiana dia i Heroda Lehibe (73 tal. J.K. - 4 tal. J.K.), i Heroda Antipasy (21 tal. J.K. - 39 taor. J.K.), i Heroda Agripa I (10 tal. J.K. - 44 taor. J.K.), i Heroda Agripa II (27 taor. J.K. - 93 taor. J.K.).