Aller au contenu

Herôdiana (fianakavia-mpitondra fanjakana)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Herôdiana na Dinastia Herôdiana dia fianakavia-mpanjaka manam-piaviana idomeana. Ny ankamaroan' ny mpanjaka tao amin' io fianakaviana io dia nanapaka tao Palestina sy Israely. Ny mpanjaka herôdiana farany tao Israely dia i Herôda Agripa II. Matetika dia ampiasaina ny teny hoe "herôdiana" mba hanondroana vanim-potoana, indrindra momba an' i Palestina. Ny tena nalaza tamin' ireo Herôdiana dia i Herôda Lehibe (73 tal. J.K. - 4 tal. J.K.), i Herôda Antipasy (21 tal. J.K. - 39 taor. J.K.), i Herôda Agripa I (10 tal. J.K. - 44 taor. J.K.), i Herôda Agripa II (27 taor. J.K. - 93 taor. J.K.).