Tendrombohitra Garizima

Ny tendrombohitra Garizima na tendrombohitra Gerizima dia tendrombohitra ao Jordania Andrefana eo akaikin' i Nablosa ao amin' ilay faritra atao hoe Samaria ao amin' ny Baiboly. Io tendrombohitra io dia toerana masina ho an' ny Samaritana. Voasoratra ao amin' ny Torah samaritana io tendrombohitra io fa tsy hita ao amin' ny Torah jiosy.
Amin' ny teny hebreo samaritana izy dia atao hoe Ar-Garzim io tendrombohitra io, amin' ny teny arabo dia جبل جرزيم / Jabal Jarizīm, na جبل الطور / Jabal et Tur, amin' ny teny hebreo jiosy kosa dia הַר גְּרִיזִּים / Har Gerizim.
Mirefy 881 metatra ny tendrombohitra Garizima ary mideza dia mideza ny ao amin' ny tahezany avaratra sady rakotra ahitra ny tampony. Anisan' ny tendrombohitra avo indrindra ao Jordania Andrefana sy ao Israely izy. Misy loharano mangatsiatsiaka mivoaka ny eny amin' ny fotony rehefa lohataona. Tanàna madinika roa no miorina eo amin' ny tahezany, dia i Kiryat Luza (tanàna samaritana) sy i Har Brakha (tanàna jiosy) (hebreo: הַר בְּרָכָה, izay midika hoe "Tendrombohitry ny Fitahiana").
Firesahana an' i Gerizima ao amin' ny Baiboly
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny Bokin' ny Deoteronomia (na Deoterônômy) ao amin' ny Baiboly dia ahitana andalana miresaka ny amin' ny tendrombohitra Gerizima, araka izao:
"Ary rehefa entin' i Iahveh Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin' ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizima, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala." (Deo. 11:29)
"Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitsodrano ny vahoaka, rehefa tafita an' i Jordana hianareo: dia i Simeona sy i Levy sy Joda sy i Isakara sy ny Jôsefa ary i Benjamina." (Deo. 27:12)
Miresaka ny amin' ny tendrombohitra Gerizima koa ny Baiboly ao amin' ny Bokin' i Jôsoa (na Jôsoe), araka izao:
"Ary i Israely manontolo sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin' ny fiara, teo anatrehan' ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran' ny faneken' i Iahveh, na olona hafa firenena, na i Israely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian' i Mosesy mpanompon' i Iahveh fahiny, mba hitso-drano ny olona i Israely." (Jôsoa 8:33)
Ao amin' ny Bokin' ny Mpitsara dia ahitana andalana miresaka ny amin' ny tendrombohitra Gerizima koa, araka izao:
"Ary nisy nilaza izany tamin' i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon' ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan' Andriamanitra anareo kosa." (Mpits. 9:7)
Tantara
[hanova | hanova ny fango]
Tany amin' ny taona 330 tal. J.K. tany ho any ny vahoaka samaritana dia nanorina tempoly teo an-tampon' ny tendrombohitra Gezirima izay nanjary foibentoeran' ny fivavahana samaritana (na samaritanisma), sahala amin' ny Tempolin' i Jerosalema izay foibentoeran' ny fivavahana jiosy (na jodaisma). Naorina taloha kelin' ny famaboan-tanàna nataon' i Aleksardra Lehibe[1] na taoriana kelin' izany io tempoly io[2]. Voahodidina manda fiarovana, araka ny Bokin' ny Makabeo, io tempoly io tamin' izany fotoana izany. Noravan' ilay mpanjaka hasmôneana atao hoe Joany Hirkano I tamin' ny taonjato faharoa tal. J.K. io tempoly io (taona 108 tal. J.K.)[3].
Araka ny fisavana ny tao ambanin' ny tany sy araka ny loharanom-baovao tamin' ny Andro Taloha dia nisy tempoly naorina ho an' i Zeosy (andriamanitra grika: Ζεύς / Zeús) teo amin' io toerana io tamin' ny andron' ny emperora rômana Hadriano (latina: Imperator Cæsar Traianus Hadrianus Augustus). Rehefa niova ho amin' ny fivavahana kristiana ny Empira Bizantina dia nanery ny vahoaka vitsy anisa mba hanaraka ny fivavahana kristiana araka ny heveriny ho ny tena izy. Ny emperora Zeno (latina: Flavius Zeno Perpetuus Augustus), izay nanjaka hatramin' ny taona 474 ka hatramin' ny 491 dia nanenjika ny Jiosy sy ny Samaritana sady nandrodana ny tempoly samaritana (fanidroany izany) izay tsy voaorina intsony[2].

Rehefa tonga fivavahana matanjaka indrindra ny fivavahana kristiana teo amin' ny Empira Rômana dia tsy navela hankeny amin' ny tendrombohitra Gerizima ny Samaritana. Fiangonana voaaro manda no naorina teo an-tampony. Anisan' ny niteraka ny fikomian' ny Samaritana izay notarihin' i Joliano bena Sabara tamin' ny taonjato faha-6 izany, dia fikomiana narahina famaizana mahery vaika ka saika nandripaka tanteraka ny Samaritana nonina tao avaratr' i Palestina izay tsy nisy sisa afa-tsy mponina vitsy dia vitsy.
Na dia noravana aza ny tempolin' ny Samaritana dia nijanona ho foiben' ny fivavahana samaritana ny tendrombohitra Garizima hatramin' izao. Izany no mahatonga ny mpisorom-be samaritana tsy maintsy honina eo akaikin' ilay tendrombohitra. Fidina avy amin' ny fianakaviana (na "trano") mpisorona "izay heverina fa taranak' i Aarona, rahalahin' i Mosesy", izany mpisorona izany[4].
Saika ny Samaritana rehetra no monina tao amin' ny vakin-tanàn' i Nablosa (izay nantsoina hoe Sekema na Sikema tany aloha), ao Jôrdania Andrefana, eo ambanin' ny tendrombohitra Garizima, izay tsy ananany zo manokana. Nividy tany teo amin' ilay tendrombohitra ny mpanjakan' i Jôrdania atao hoe Hussein (nanjaka 1952--1999) izay nanome izany ho an' ny vahoaka samaritana. Nanorin-tanàna teo ny Samaritana ka nanome anarana azy hoe Kiryat Luza (hebreo: קרית לוזה / ; arabo: قرية لوزة / ). Ankehitriny io faritra io dia lasa foiben' ny fiainana ara-panahin' ny vahoaka samaritana manontolo ka eo no onenan' ny mpisorom-be. Zava-dehibe amin' ny Samaritana ny fanapahan-kevitry ny mpanjaka Hussein. Ahitana sinagôga ny ao amin' io tanàna io. Tsy monina ao Kiryat Luza avokoa ny Samaritana ao Nablosa, nefa noho ny afitsoky ny Intifada roa[5] dia maro aminy no nanorim-ponenana teo amin' ny faritra milamina kokoa eo amin' ny tendrombohitra Garizima[6].
Miteny arabo andavanandro ny Samaritana ao Jôrdania Andrefana nefa mampiasa fiteny hebreo samaritana rehefa amin' ny fanompoam-pivavahana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Ursula Schattner-Rieser (mpiandraikitra fampianarana fiteny arameana dsy fitsipiteny ampitahaina eo amin' ny fiteny semitika ao amin' ny sekoly ELCOA an' ny Institut catholique de Paris, sady mpiandraikitra valandresaka momba ny fiteny hebreo komraniana sy fitenim-paritra arameanan' ny taonjato vitsy voalohany" ao amin' ny École pratique des hautes études en Sorbonne), Des Samariens au bon Samaritain, ou le plus petit groupe ethnico-religieux.
- 1 2 Araka ny lahatsoratra "Samaritans" ao amin' ny Jewish Encyclopedia, 1901-1906.
- ↑ I Joany Hirkano I dia zanakalahy faharoan' i Simôna Makabeo sady mpisorom-be tao amin' ny Tempolin' i Jerosalema tamin' ny faran' ny taonjato faharoa tal. J.K.
- ↑ "The Socio politics of the Samaritans in the Palestinian Occupied Territories", par les Dr Hussein Ahmad Yousef et Iyad Barghouti, An-Najah National University.
- ↑ Ny Intifada dia hetsi-panoherana mahery vaika nataon' ny Arabo palestiniana hanoherana ny tafika israeliana tao amin' ny fari-tany voabodo sy tany amin' ny faritra natokana ho an' ny Fahefana Palestiniana.
- ↑ Ny Intifada dia fihetsiketsehana nataon'ny vahoaka hanoherana ny tafika israeliana izay nitoby teo amin'ireo faritra azon'ny Israeliana sy tamin'ny faritra nomena ny Fahefana palestiniana toa ny faritr'i Gaza sy i Jordania Andrefana.