Bokin'ny Makabeo

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Bokin'ny Makabeo dia boky maro mikasika ny zava-niseho teo amin'ny fivavahana jiosy niharan'ny fanenjehana tamin'ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa tamin'ny andron'ireo mpanjaka seleokida, indrindra i Antiokosy Epifanesy. Ireto avy izy ireo:

  1. Boky voalohan'ny Makabeo;
  2. Boky faharoan'ny Makabeo;
  3. Boky fahatelon'ny Makabeo;
  4. Boky fahefatry ny Makabeo;
  5. Boky fahadimin'ny Makabeo;
  6. Boky fahenin'ny Makabeo;
  7. Boky fahafiton'ny Makabeo;
  8. Boky fahavalon'ny Makabeo;

Tsy hita ao amin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) ireo boky ireo. Ny roa voalohany dia deoterokanonika ao amin'ny Baiboly katolika sy Baiboly ortodoksa fa apokrifa kosa ao amin'ny Baiboly protestanta sasany. Ny roa manaraka dia deoterokanonika ao amin'ny Baiboly ortodoksa fa isan'ny boky apokrifa ao amin'ny Baiboly katolika. Ny sisa rehetra dia apokrifa ho an'ny Katolika sy ny Ortodoksa. Ankoatry ny boky roa voalohany dia boky pseodepigrafa ho an'ny Protestanta ny boky sisa rehetra.

Ao koa ireo boky atao hoe Boky voalohan'ny Mekabiana sy ny Boky faharoan'ny Mekabiana ary ny Boky fahatelon'ny Mekabiana izay hita ao amin'ny Baiboly ortodoksa ampiasain'ny Fiangonana ortodoksa etiopiana nefa tsy hita ao amin'ny Baibolin'ny fiangonana hafa.

Fampahafantarana fohy ireo boky ireo[hanova | hanova ny fango]

Deoterokanonika katolika sy ortodoksa[hanova | hanova ny fango]

  • Ny Boky voalohan'ny Makabeo dia voasoratra tamin'ny teny hebreo tamin'ny voaohany nefa ny dikan-teny grika no sisa tavela ahalalana azy. Mitatitra ny tantaran'ireo Makabeo nanomboka tamin'ny taona 175 tal. J.K. hatramin'ny taona 134 tal. J.K. ny boky.
  • Ny Boky faharoan'ny Makabeo dia famintinana amin'ny teny grika ny tantara amin'ny teny hebreo tranainy kokoa, izay mitatitra ny tantaran'ieo Makabeo miafara hatramin'ny taona 161 tal. J.K. izay manindry manokana ny amin'i Jodasy Makabeo, sady miresaka momba ny vavaka atao ho an'ny olona maty sy ny fanatitra atao hanavotata azy ireo.

Deoterokanonika ortodoksa fa apolrifa katolika[hanova | hanova ny fango]

  • Ny Boky fahatelon'ny Makabeo dia boky amin'ny teny grika momba ny fanenjehana nahazo ny Jiosy tany Egipta tamin'ny taonjato faha-3 tal. J.K.
  • Ny Boky fahefatry ny Makabeo dia lahateny filozofika midera ny fahambonian'ny saina miohatra amin'ny fihetseham-po, ka mandray ireo martira makabeana ho ohatra.

Apokrifa ho an'ny Katolika sy ny Ortodoksa[hanova | hanova ny fango]

  • Ny Boky fahadimin'ny Makabeo dia tantara amin'ny teny arabo mifanandrify amin'ny taona 186 tal. J.K. hatramin'ny taona 6 tal. J.K. Misy koa anefa boky hafa mitondra io lohateny io izay tsy iza fa ny boky faha-6n'ny Adin'ny Jiosy nosoratan'i Flavio Josefa.
  • Ny Boky fahenin'ny Makabeo dia tonokalo amin'ny fiteny siriaka izay mety mitovy loharano nanovozana (efa very) amin'ny Boky fahefatry ny Makabeo.
  • Ny Boky fahafiton'ny Makabeo dia asasoratra amin'ny fiteny siriaka miompana amin'ny lahatenin'ireo martira makabeana sy ny renin'izy ireo.
  • Ny Boky fahavalon'ny Makabeo dia tatitra fohy momba ny fikomiana notarihin'ireo Makabeo, tatitra nanovo avy amina loharano seleokida, ka voatahiry ao amin'ny Tantaran'i Joany Malalasy.

Ireo bokin'ny Baiboly ortodoksa teoahedo atao hoe an'ny Mekabiana dia fitantarana fohy avy amina loharano etiopiana. Ireo boky ireo dia mitatitra ny tantaran'ny mpikomy jiosy hafa izay nitolona hanoherana ny fitondran'i Antiokosy, nefa tsy voaresaka ao ireo mpirahalahy malaza avy any Modeina. Tsy fantatra ny niavian'ireo tantara ireo.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • 6 Maccabees - Wikisource