Jordania Andrefana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Saritanin' i Jôrdania Andrefana

Ny Jôrdania Andrefana (amin' ny teny arabo الضفة الغربية‎ aḍ-Ḍaffah l-Ġarbiyyah, hebreo: הגדה המערבית‎, HaGadah HaMa'aravit), dia faritra iray ao Azia andrefana izay manana velarana 5 860 km² ary miisa 2,51 tapitrisa mponina (2010). I Jerosalema Atsinanana no renivohiny.

I Jôrdania Andrefana, izay ataon' ny Fanjakan' i Israely hoe Jodea-Samaria dia fari-tany voafaritry ny tsipika nampitsaharana ny Ady israelô-Arabo (1948-1949) ao avaratra sy ao andrefana ary ao atsimo, ary voafaritry ny ony Jordana sy ny Ranomasina Maty ao atsinanana izay sisin-tanin' i Jôrdania koa.

I Jôrdania Andrefana dia ahitana ny tanànan' i Jerosalema Atsinana, i Jerikô, i Nablosa, i Hebrôna, i Jenina ary i Tulkarem. Ao koa dia ahitana toerana masina ho an' ireo fivavahana abrahamika telo (jodaisma, kristianisma, finoana silamo), dia i Ariel, i Ma'aleh Adumim, i Betar Illit ary i Gush Etzion.

I Jôrdania Andrefana dia namoahan' ny Firenena Mikambana fehin-kevitra ka isan' izany ilay laharana faha-181 sy ilay faha-242. Taorian' ny Fifanarahana tao Oslo sy ny Fifanarahana vonjimaika momba an' i Jôrdania Andrefana sy i Kita Gaza dia ampahany iray ihany no niandraiketan' i Israely, dia ny faritra C, fa ny faritra B dia niandraiketan' i Israely sy ny Fahefana palestiniana miaraka, ny faritra A dia tantanan' ny Palestiniana. Ny Fahefana palestiniana dia nitaky ny hampiditra azy ao amin' ny Fanjakan' i Palestina. I Israely dia mihevitra azy ho toy ny fari-tany iadiana, nefa ny sasany amin' ireo firenana ao amin' ny Fiarahamonina iraisam-pirenena dia mihevitra azy ho fari-tany misy mibodo.

Teo ambany fitantantanan' ny Britanika i Jôrdania Andrefana nanomboka tamin' ny taona 1923 ka nisy ampahany amin' io faritra io neritreretina ho lasa Fanjakana arabo ao amin' ny lamim-pizaràna an' i Pelestina izay tapaka tamin' ny taona 1947 tao amin' ny Fivoriamben' ny Firenena Mikambana, ka i Jerosalema-Atsinanana sy ny manodidina azy dia tokony ho eo ambany fanarahamason' ny firenenana maromaro. Taorian' ny Ady israeliana sy arabo tamin' ny taona 1948 dia nobodoin' i Transjôrdania sady nataony ho isan' ny faritra miankina aminy izy tamin' ny taona 1949. Izany fampiakinana azy izany dia tsy neken' ny Fiarahamonina iraisam-pirenena (afa-tsy ny Fanjakana Mitambatra sy i Iràka ary i Pakistàna) sy ny Fikambanan' ny Firenena Arabo, izay nandrahona ny handroaka ny emirata. Taorian' ny Ady Enina Andro dia nibodo an' i Jôrdania Andrefana i Israely. Hatramin' io fotoana io dia afaka nampanorim-ponenana mpijirika tao i Israely. Tamin' ny taona 1980 dia nalain' i Israely hiakina aminy i Jerosalema-Atsinanana ary nataony ho renivohiny i "Jerosalema tafakambana". Tamin' ny taona 1988 dia nanambara ny fahaterahan' ny Fanjakana Palestiniana ao Jôrdania Andrefana sy ao Gaza ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina (arabo: منظمة التحرير الفلسطينية / Munadhamat al-Tahrir al-Filastiniyah) ka i Jerosalema-Atsinanana no nataony renivohiny. Teo anelanelan' ny taona 1990 sy 2001 dia nisy ny fifampiraharahana momba ny sata sy ny fitsinjaràna io fari-tany io teo amin' ny Fahefana palestiniana sy i Israely nefa tsy nahitam-bokany izany. Hatramin' ny taona 2002, taorian' ny fanafihana-vonotena notanterahin' ny Palestiniana izay nahafatesana Israeliana olon-tsotra miisa 700 dia nanaorina manda fanasarahana tao amin' ny taniny i Israely ka entiny "hiadiana amin' ny fidiran' ny mpanao asa fampihorohoroana palestiniana" izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.