Fifanarahana tao Oslo

Avy amin'i Wikipedia
Fifandraisan-tantara nandritra ny fanaovan-tsonia ny fifanarahan' i Oslo tao amin' ny White House, tamin' ny 13 Septambra 1993: namporisihin' i Bill Clinton, i Yasser Arafat dia manome ny tanany amin' i Yitzhak Rabin, izay nandray izany taorian' ny fisalasalana fohy.

Ny Fifanarahana tao Oslo dia fifanarahana maromaro vokatry ny fifampiresahana natao mifina, nifanindran-dalana amin' ireo natao ampahibemaso, taorian' ny fihaonambe tao Madrid tamin' ny taona 1991, teo amin' ireo mpifampiraharaha israeliana sy palestiniana tao Oslo, any Nôrvezy, mba hametraka ny dingana voalohany amin' ny fanapahan-kevitra momba ny disadisa eo amin' i Israely sy i Palestina.

Ny fanambarana ny fotopotony, izay nosoniavina tao Washington tamin' ny 13 Septambra 1993 teo anatrehan' i Yitzhak Rabin, praiminisitra israeliana, i Yasser Arafat, filohan' ny kômity mpanatanteraka ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina sy i Bill Clinton, filohan' i Etazonia, dia nametraka fomba fifampiraharahana hamahana ny olana ary nametraka fototra ho an' ny fizakan-tenana tsy maharitra ho an' i Palestina mandritra ny 5 taona hirosoana miandalana amin' ny fandriam-pahalemana. Ny roa tonta dia nametraka tanjona "indrindra ny fananganana fahefana vonjimaika manana ny fizakan-tenany, dia ny Filankevitra Voafidy (atao hoe "Filankevitra"), ho an' ny Palestiniana ao Jôrdania Andrefana sy ao amin' ny Salavantanin' i Gaza, mandritra ny fe-potoana tetezamita tsy mihoatra ny dimy taona, mba hisian' ny fifanarahana maharitra mifototra amin' ny Fehin-kevitra 242 (1967) sy 338 (1973) nataon' ny Filankevi-pilaminan' ny Firenena Mikambana ..