Fivadiham-pinoana Lehibe

Avy amin'i Wikipedia

Ny fivadiham-pinoana lehibe na fihemorana lehibe na apôstazia lehibe dia foto-kevitra ao amin' ny kristianisma hamaritana ny fiheverana fa niala tamin' ny finoana voalohany naorin' i Jesoa sy ny Apôstôliny ny fiangonana kristiana mahazatra.

Ny finoana ny fisian' ny Apôstazia Lehibe dia toetra mampiavaka ny restaorasiônisma kristiana, izay ahitana vondrona restaorasiônista isan-karazany tsy misy ifandraisany, nipoitra taorian' ny Fifohazam-panahy lehibe faharoa, toy ny Kristadelfiana, ny Olomasin' ny Andro Farany, ny Vavolombelon' i Jehovah, ary ny Iglesia ni Cristo. Mihevitra ireo vondrona restaorasiônista ireo fa ny kristianisma nentim-paharazana (ny Katôlika sy ny Prôtestanta ary ny Ôrtôdôksa) dia lavo tao anaty fahadisoana ka noho izany dia mila averina amin' ny laoniny ny finoana marina.

Nampiasaina io teny io mba hamaritana ny toetry ny kristianisma nentim-paharazana, indrindra fa ny Eglizy Katôlika, satria heverin' ny mpiamlpanga azy ho nanova ny foto-pampianaran' ny fiangonana voalohany izy ary namela ny kolontsaina grika-rômana nentim-paharazana ho ao amin' ny fiangonana noho ny fiheverany manokana ny fahefana. Izany kolontsaina grika-rômana izany dia ny mistery grika-rômana, ny andriamanitry ny mônisman' ny Masoandro toa an' i Mitra sy i Sol Invictus, ny fetin' ny mpanompo sampy sy ny fanompoam-pivavahana atao amin' ny Masoandro mitraîka ary ny fanompoana sarin-tsampy.

Satria nanao ireo fanovana ireo tamin' ny anaran' ny lovam-pampianarana na lovantsofina fa tsy avy amin' ny Soratra Masina, ny fiangonana – araka ny hevitr' ireo izay manaraka an' io foto-kevitra io – dia lavo tao amin' ny fivadiham-pinoana. Lohahevitra lehibe amin' izany fomba fijery izany ny fiheverana fa, mba hisarihana sy hampiova finoana ny olona ho amin' ny kristianisma, nampiditra finoana sy fanaon' ny mpanompo sampy tao anatin' ny fivavahana kristiana ny fiangonana any Rôma, fombafomba sy mistery ary fety grika-rômana ny ankamaroany.

Ny teny hoe Apôstazia dia avy ao amin' ny Epistily faharoa ho an’ ny Tesalôniana, izay nambaran' ny apôstôly Paoly tamin' ny Kristiana tany Tesalônika fa tsy maintsy hisy ny fivadiham-pinoana lehibe alohan' ny fiverenan' i Kristy, rehefa "haseho ilay lehilahin' ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana" (2Tes 2:1–12). Ny Eglizy Katôlika, ny Fiangonana Loterana, ny Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana ary ny Fiangonana Ôrtôdôksa Atsinanana dia nanao fivoasana ity toko ity ho manondro fihemorana amin' ny hoavy, mandritra ny fanapahan' ny Antikristy amin' ny andro farany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]