Iglesia ni Cristo

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Iglesia ni Cristo

Ny Iglesia ni Cristo dia fiangonana kristiana tsy mino ny Trinite, niorina tamin' ny taona 1913 ary nosoratan' i Felix Y. Manalo tamin' ny taona 1914 ho fikambanana ara-pivavahana tokana ho an' ny governemantan' ny Nosy ao Filipina. Amin' ny teny tagalôga na filipinô izany dia tononina hoe [ɪˈglɛ̝ʃɐ ni ˈkɾisto̞]. Amin' ny teny espaniôla izy dia atao hoe Iglesia de Cristo, izay midika hoe "Fiangonan' i Kristy" na "Eglizin' i Kristy". sady hafohezina hoe INC.

Ny Iglesia ni Cristo dia mamaritra ny tenany ho ny hany fiangonana iray marina sy mamerina amin' ny laoniny ny fiangonana tany am-boalohany naorin' i Jesoa, izay nialan' ny fiangonana kristianina hafa rehetra izay nivadi-pinoana. Araka ny fotopampianaran' ny Iglesia ni Cristo, ny fisoratana anaran' ilay fiangonana amin' ny fomba ôfisialy ao amin' ny governemanta filipina nataon' i Felix Y. Manalo dia tamin' ny 27 Jolay 1914. Izany fisoratana anarana izany dia fihetsika maneho ny fitondran' Andriamanitra sy fahatanterahan' ny faminaniana ao amin’ ny Baiboly momba ny fananganana indray ny fiangonan’ i Kristy tany am-boalohany any amin’ ny faritra Atsinanana Indrindra miaraka amin’ ny fahatongavan’ ny tombo-kase fahafito izay manamarika ny fiafaran’ ny andro farany ao amin' ny Apôkalipsy.

Ny Igelsia ni Cristo dia tsy manaiky ny maha Andriamanitra an' i Jesoa, ary milaza fa manaraka ny onitarisma. Tsy mankalaza fety kristianina toy ny Krismasy na ny Paska izy ireo ary mitazona ny fandrarana ny fihinanana ram-biby. Manohitra ny katôlisisma sady mpanidfrahidra tanindrazana (nasiônalista) izy.

Tamin' ny fotoana nahafatesan' i Manalo tamin' ny taona 1963, ny Iglesia ni Cristo dia lasa fiangonana manerana ny firenen' i Filipina manana trano fiangonana miisa 1 250 sy katedraly miisa 35. Amin’ ny maha mpandimby, i Eraño G. Manalo, zanak’ i Manalo, no nitarika ny fanentanana ho amin’ ny fampandrosoana sy ny fanapariahana maneran-tany ny fiangonana mandra-pahafatiny tamin' ny 31 Aogositra 2009. Ny zanany lahy, Eduardo V. Manalo, no nandimby azy ho agapamahalang Pangkalahatan ng Iglesia ni Cristo ("Minisitra Mpanatanteraka ao amin' ny Iglesia ni Cristo").

Ny fanisam-bahoaka filipina tamin' ny taona 2015 dia nitatitra fa 2 664 498 tamin' ny mponina mpivavaka no tao amin' ilay fiangonana, ka nametraka azy ho laharana fahefatra aty aoriana, raha ny Eglizy Katôlika nisy mpino 80 304 061, ny fivavahan-drazana eo an-toerana 24 042 850, ary ny silamo 6 064 744.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]