Lehilahin' ota

Avy amin'i Wikipedia

Ny lehilahin' ota na lehilahin' ny fandikan-dalàna, ny lehilahin' ny fikomiana, na ny lehilahin' ny fivadiham-pinoana dia olona resahina ao amin' ny Baiboly kristiana ao amin' ny Epistily faharoa ho an' ny Tesalôniana. Matetika izy no ampitoviana amin' ny Antikristy ao amin' ny eskatôlôjia kristiana. Atao amin' ny teny grika hoe ὁ ἄνθρωπος τῆς ἁμαρτίας / ho anthrōpos tēs hamartias na ἀνομίας / anomias izany.

Fitantaran' ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny Tesalôniana faharoa 2:3–10, ny "lehilahin' ota" dia voalaza fa haseho alohan' ny hahatongavan' ny Andron' ny Tompo. Ny Codex Sinaiticus sy ny Codex Vaticanus dia ahitana ny vakiteny hoe "lehilahy mpandika lalàna" ary i Bruce M. Metzger dia milaza fa io no vakiteny voalohany na dia ahitana no hoe "lehilahin' ota" aza ny 94 % amin' ny sora-tanana.

3Aza mety hofitahin' olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin' ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, 4ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin' ny tempolin' Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra 5Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo? 6Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin' ny fotoan' androny. 7Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna. kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany. 8Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin' i Jesosy Tompo amin' ny fofonain' ny vavany ary hofoanany amin' ny fisehoan' ny fihaviany; 9ny fihavin' ilehiny dia araka ny fiàsan' i Satana amin' ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra 10ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin' izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]