Mônisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny mônisma dia fomba fijery filôzôfika izay manamafy ny maha iray tsy azo zaraina ny zavatra rehetra. Amin' ny fomba firesahana azy ankehitriny dia manohana ny maha tokana ny zavatra mandrafitra izao rehetra izao ny mônisma. Ny firaisana fototra misy ao amin ny Kôsmôsy na izao rehetra izao dia mahatonga ny zavatra sy ny fanahy tsy ho afa-misaraka. Noho izany, ny mônisma dia manohitra ny hevitra doalista, izay manavaka ny tontolo ara-materialy sy ny tontolo ara-panahy, ary manohitra ihany koa ny hevitra filôzôfika ploralista izay mihevitra ny zavatra tsirairay hanana ny fombany na natiorany manokana tsirairay.

Eo amin' ny sehatry ny fahalalana, ny mônisma dia mandrara ny fanavahana ny siansan' ny natiora sy ny siansan' ny fanahy. Ny siansa manontolo avy eo dia aseho ho toy ny tranobe iray. Ny mônisma koa dia mametraka fifandraisana akaiky eo amin' ny filôzôfia sy ny siansa.

Ny mônisma dia manondro ny maha iray na maha tokana ny fato-kevitra iray, toy ny fisiana. Karazana mônisma maro no azo avahana:

  • Ny mônisma laharam-pahamehana dia milaza fa ny zava-drehetra misy dia miverina amin' ny loharano iray miavaka amin' izy ireo; Ohatra, ao amin' ny neôplatônisma dia avy amin' "Ny Iray" ny zava-drehetra. Amin' ity fomba fijery ity dia ny Iray ihany no fototra ôntôlôjikan' ny zavatra hafa rehetra.
  • Ny mônisman' ny fisiana dia milaza fa tsy misy afa-tsy zavatra tokana, dia izao rehetra izao, izay tsy azo zaraina ho zavatra maro.
  • Ny mônisman' ny sobstansa dia manamafy fa ny zava-misy isan-karazany dia azo hazavaina amin' ny sobstansa tokana. Ny mônisman' ny sobstansa dia milaza fa karazana sobstansa iray ihany no misy, na dia maro aza ny zavatra mety ho voaforona avy amin' io sobstansa, ohatra, ny matiera sy ny saina.
  • Ny mônisma misy lafiny roa dia ny fiheverana fa ny ara-tsaina sy ny ara-batana dia lafiny roa amin' ny sobstansa iray, na fomba fijery roa momba ny sobstansa iray ihany.
  • Ny mônisma tsy miandany dia mino fa ny toetra (natiora) fototry ny zava-misy dia tsy ara-tsaina na ara-batana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]