Fiteny persana
Ny fiteny persana na fiteny farsy na fiteny persiana dia tenim-pirenenan' i Iràna, ao amin' ny fianakaviana indô-eorôpeana, ao amin' ny sampana indô-iraniana, ao amin' ny zana-tsampana iraniana. Mahery ny 60 tapitrisa ny isan' ny mpiteny persana any Iràna ary ny any Afganistana misy 16 tapitrisa. Misy mpiteny persana koa ny any Tajikistàna, ny any Bareina ary ny any Ozbekistàna (ny foko tajiky). Atao hoe فارسی / fārsī ny anaran' ny fiteny persana any Iràna sy any Afganistàna. Endrika arabon' ny teny hoe parsi, ny hoe farsi satria tsy manana renifeo p ny abidy arabo.
Manana satam-piteny ôfisialy ny fiteny persana anatin' ireo firenena telo ireo: endriky ny fiteny persana isam-paritra ny fiteny dary (fiteny ôfisialy ao Afganistàna) sy ny fiteny tajiky (fiteny ôfisialin' i Tajikistàna) izay tenenina koa ao Kirgizistàna, ao Torkmenistàna, ao Ozbekistàna ary koa ao Kazakstàna. Ny totalin' ny mpiteny persana dia misy 75 tapitrisa.
Ny rafi-pehezanteniny dia SOV. Soratana amin' ny alalan' ny abidy arabo ny fiteny persana na dia tsy manam-pifandraisana amin' ny fiteny arabo aza izy na amin' ny lafiny voambolana na amin' ny lafiny ara-drafi-peo. Any Tajikistàna (sy any Ozbekistàna miteny persana) dia soratana amin' ny abidy sirilika ny fiteny tajiky.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Fiteny iraniana sasantsasany: fiteny zazaky - fiteny ôsetiana - fiteny lôry - fiteny kiorda - fiteny persana - fiteny dary - fiteny tajiky - fiteny pastô - fiteny balotsy - fiteny gilaky - fiteny talisy - fiteny mazandarany.
- Vahoaka iraniana
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Persian language Archived Mey 30, 2008 at the Wayback Machine (Persian)
- Raki-bolana persana-frantsay/frantsay-persana Freelang
- ((en)) Western Farsi (Languages of the World) Archived Martsa 9, 2009 at the Wayback Machine
- Persian verb conjugator
- Lexiques en persan
|