Fianakaviam-piteny oraliana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny oraliana)
Fitsinjaran'ny fianakaviam-piteny oraliana. Ny manga: sampam-piteny fino-permiana, ny maitso: sampam-piteny ogriana, ny mavo: sampam-piteny samoieda; ny mavokely; ny fiteny iokagiry.

Ny fiteny oraliana dia fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa manodidina ny 30 izay tetenin' ny olona miisa 20 000 000 any ho any ao Eorôpa sy any Siberia. Ny fiteny oraliana be mpiteny indrindra dia ny fiteny hongariana, ny fiteny finoà ary ny fiteny estôniana. Ny hoe oraliana dia avy amin' ny anaran' ny tendrombohitra Oraly, izay heverina fa nipoiran' io fianakaviam-piteny io.

Mizara ho sampana roa ny fiteny oraliana dia ny sampana finô-ogriana sy ny sampana samôieda.

Ny fiteny finô-ogriana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny finô-ogriana dia fianakaviam-piteny tenenin' ny olona ao Eorôpa, ao amin' ny faritra midadasika avy any amin' ny Ranomasina Baltika sy avy any amin' ny tapany avaratr' i Skandinavia hatrany amin' ny tendrombohitra Oraly sy any Don. Miisa 25 000 000 any ho any ny mpiteny finô-ogriana. Ny fiteny finô-ogriana sasany dia nanjavona tsy misy mpiteny intsony tamin' ny taonjato faha-20 ary maro amin' ireo fiteny ireo no tandindomim-pahafatesana ankehiriny.

Ny fiteny samôieda[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny samôieda dia fianakaviam-piteny tetenin' ny olona miisa latsaky ny 40 000 amin' ny ilany roa amin' ny tendrombohitra Oraly

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny