Faritanin' i Khorasan-e-Razavi
Ny Faritanin' i Razavi Khorasan na Faritanin' i Khorasan Afovoany dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna, any amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Iràna. Ny tanànan' i Mashhad no renivohitr' ity faritany ity. I Khorasan Afovoany dia iray amin' ny faritany telo noforonina taorian' ny fizaràna ny Faritanin' i Khorasan taloha tamin' ny taona 2004. Tamin' ny taona 2014 dia napetraka tao amin' ny Faritra faha-5.
Tamin' ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2006, ity faritany ity dia nisy mponina 5 515 980 ao amin' ny tokantrano 1 426 187. Ny fanisam-bahoaka manaraka tamin' ny taona 2011 dia nahitana mponina 5 994 402 tao amin' ny tokantrano 1 716 314. Tamin' ny fanisam-bahoaka farany natao tamin' ny taona 2016 dia nitombo ho 6 434 501 ny isan' ny mponina tao amin' ny tokantrano 1 938 703.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Faritany any Iràna: Alborz - Ardabil – Azerbaijan-e-Gharbi – Azerbaijan-e-Sharghi – Bushehr - Shahar Mahaal-o-Bakhtiari - Esfahan - Fars - Gilan – Golestan - Hamedan – Hormozgan - Ilam - Kerman - Kermanshah – Khorasan-e-Jonubi - Khorasan-e-Razavi - Khorasan-e-Shomali - Khuzestan - Kohkiluyeh-o-Boyer Ahmad - Kurdistan Iraniana – Lorestan - Markazi – Mazandaran - Qazvin – Qom – Semnan - Sistan-o-Baluchestan - Teheran - Yazd - Zanjan