Diosezin'i Morondava

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny FANTARO NY DIOSEZY MORONDAVA)
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Tany amin'ny taona 1910 hatramin'ny 1928 no nanombohan'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tany Morondava. Pretra spiritanina avy any Mahajanga no nitsidika sy namangy ny faritr'i Maintirano, Morafenobe, Ambatomainty, Antsalova ary Ankavandra. ry zareo misionera Lasalety avy any Antsirabe kosa no niahy ny lemak'i Tsiribihina. Ry zareo Zezoita avy any Ambositra kosa no nitory tany amin'ny ilany atsimo: Malaimbandy sy Mahabo ary Morondava.

Pretra amerikanina fikambanan'i Lasalety no tena niorim-ponenana nitory ny Evanjely tao Morondava nanomboka tamin'ny 1928. Tonga koa ry maseran'ny Providence tamin'ny 1935, niandraikitra sekoly.

Fanjanahantany moa tamin'izany fotoana izany ka tsy neken'ny mpanjanaka ny haha Prefet Apostolika ny pretra amerikanina, noho izany dia Frantsay no nampiandraiketana ny misiona: Mgr Futy Joseph, ms (1938). Tamin'ny 1950, ireo distrika tany avaratra toa an'i Maintirano sy i Morafenobe ary i Ambatomainty dia nampiraisina tamin'i Tsiroanomandidy. Tonga tany Morombe ny Misioneran'ny Fianakaviana masina tamin'ny 1950 ka lasa Diôsezy vaovao i Morombe miaraka amin'i Manja sy Beroroha.

Tamin'ny 1952 ny zareo masera Misionnaires de l'Immaculée Conception avy any Montréal (Canada) no tonga nisolo ny Providence. Nohamasinina ho eveka i Mgr Girouard Paul (amerikanina) tamin'ny 1956, io no evekan'i Morondava voalohany. Ry zareo Amerikanina avy any amin'ny faritr'i St. Louis no nandray ny asa misionera tany Menabe.

1964 : Nohamasinina ho eveka i Mgr Bernard Ratsimamotoana, izay eveka mpanampy. Niroborobo fatratra ny finoana katolika tamin'izany. Efa tonga dimy ny fikambanan-drelijiozy niasa tany Morondava nanampy ny MIC: Franciscaines Missionnaires de Marie, Jeanne Delanoue, Immaculée Conception de Niort, Notre Dame de la Salette. Tonga koa ry zareo Frères du Sacré-Coeur nikarakara ny kôlejy St Paul tamin'ny 1967.

Ireto ny Pretra Mpanorina:

  • P. William Breault, ms (maty 1974)
  • Mgr Joseph Futy (1938-1946)
  • Mgr Etienne Garon, ms (1946-1954).

Ireto ny eveka nifandimby:

  • Mgr Paul-Jos. Girouard, ms (1955-1964)
  • Mgr Bernard Ratsimamotoana, ms (1964-1998)
  • Mgr Donald Leo Pelletier, ms (1999-2010)
  • Mgr Fabien Raharilamboniaina, carmes (2010-...)

Ankehitriny dia azo lazaina fa efa velona tsara ny finoana, misy ny pretra diôsezanina, maro ny seminarista. Mikatroka amin'ny Aomoneria sy ny Distrika ireo pretra.

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  • Annuaire-Atlas ECAR 2000 niampy ny fanadihadiana am-bava natao tamin'i Frère Coëvance sy Fr MIary Séraphin par Frère Tsiky Marcel.
  • Kianjam-pasika