Eskatôlôjia jiosy

Avy amin'i Wikipedia

Ny eskatôlôjia jiosy dia sampan' ny teôlojia sy filôzôfia jiosy momba ny fiafaran' izao tontolo izao amin' ny ankapobeny sy ny fiafaran' ny vahoaka jiosy manokana, ary ny zavatra hafa mifandraika amin' izany. Anisan' izany ny fanangonana ireo any am-pielezana natao sesitany, ny fiavian' ny Mesia, ny fiainana aorian' ny fahafatesana, ary ny fitsanganan' ny maty.

Araka ny finoana ankapobeny mifandraika amin' io lohahevitra io, ny "faran' ny andro" (hebreo: אחרית הימים / a-ḥarit ha-yamim) (andian-teny miseho imbetsaka ao amin' ny Tanakh) dia hisehoan' ny fiavian' ny Mesia, sady hanaraka dingana maromaro, ary hifarana amin' ny fandresen' Andriamanitra sy ny vahoakany, dia ny Zanak' i Israely. Ny anjaran' ny tsirairay, izay heverina fa hatsangana amin' ny fiavian' ny Mesia, dia resahina ao ihany koa, nefa tsy lohalaharana, na dia eo aza ny fanontaniana maro mipetraka momba izany.

Izany fahitana eskatôlôjika izany no fototry ny hevitry ny tantaran' i Israely sy ny zanak' olombelona manontolo ao amin' ny Baiboly. Hita ao amin' ny Mpaminany, izay maminany ny andron' i IHVH, izany: amin' izao andro mahatahotra izao dia hamangy ny Tany i IHVH mba hitsara ny olona. Kanefa, amin' ny fiavian' ny Mesia dia hanomboka ny fanjakana be voninahitra tsy manam-pahataperana.

Ireo finoana ireo dia nivoatra rehefa nandeha ny fotoana, ary araka ny filazan' ny mpanoratra sasany dia misy ny porofo momba ny finoan' ny Jiosy momba ny fiainana aorian' ny fahafatesana miaraka amin' ny valisoa na sazy voalaza ao amin' ny Tôrah.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]