Bandar Torkaman
36°54′06″N 54°04′15″E / 36.9016666667°N 54.0708333333°E
Bandar Torkaman | ||
Velarantany | NC | |
Isam-ponina | 45 045 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | NC | |
Firenena | Iran | |
Faritany | Golestan | |
Faritra | NC |
I Bandar Torkaman (persana: بندرتركمن), fantatra taloha amin' ny anarana hoe Bandar Shah (persiana: بَندَرِ شاه) dia tanàna sy renivohitry ny distrikan' i Torkaman, ao amin’ ny faritanin' i Golestan, ao Iràna. Ny isan’ ny mponina ao aminy dia 45 045 araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2006, ary ao amin’ ny fianakaviana miisa 9 755 izy ireo. I Bandar Torkaman dia seranan-tsambo ao amin' ny Ranomasina Kaspiana. Manodidina ny 375 km avy eo Teheran izy io. Any amin' ny 3 km eo ho eo andrefan' i Bandar Torkaman no misy ny nosy Ashuradeh. Amin' ny fiteny persana ny anarana hoe "بندر تركمن" dia midika ara-bakiteny hoe "Seranan' ny Torkmena".
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Ny laharam-pehintaniny ary ny laharan-jarahasiny dia 36.9016666667° Avaratra ary 54.0708333333° Atsinanana. Ny faritr' ora dia GMT+3:30.
Toekarena
[hanova | hanova ny fango]Ny toekarena dia mifototra amin' ny fambolena, ny asa tanana, ny fiompiana, ny jono ary ny fizahàn-tany. Ny 50 % n' ny kaviara iraniana dia alaina eo akaikin' io seranana io. Mahasarika mpizaha tany maro ny nosy Ashuradeh.
Fambolena
[hanova | hanova ny fango]I Bandar Torkaman dia antsoina koa hoe "Nosin' ny Landihazo". Mamboly landihazo betsaka ny olona ao amin' ny seranan-tsambo izay mahatonga an' i Bandar Torkaman ho mpamboly landihazo stratejika ao amin' ilay firenena.
Fizahan-tany
[hanova | hanova ny fango]Taloha, nisy fefilohan-tseranana lehibe telo ilay tanàna ary nampiasain' ny Tafika Mpiray Dia (Allied) nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ho fitaterana fitaovana. Na izany aza, fefilohan-tseranana roa no nilentika ary amin' izao fotoana izao, noho ny faharatsian' ny fitaovana sy ny fihenan' ny rano miandalana, fefilohan-tseranana iray ihany no ananan' i Bandar Torkaman, tsy maresaka intsony ary matetika ampiasaina hifandraisana amin' ny nosy Ashuradeh. Mandritra ny Nowruz (na Norouz, taom-baovao iraniana) sy ny fahavaratra dia feno mpivarotra mitondra zavatra ao an-tanàna, namboarin’ ny Torkmana mba hamidy, ity fefilohan-tseranana ity. Ny nosy Ashuradeh no tena mahasarika ao amin’ ilay faritra.
Karipetra
[hanova | hanova ny fango]Loharanom-bola lehibe ho an’ ny mponina ny fanenomana karipetra. Ny karipetra sy ny zavatra hafa mitovitovy aminy izay notenomina ao amin' io faritra io dia amidy any amin' ny tanàn-dehibe hafa ao Iràna sy aondrana manerana an' izao tontolo izao koa. Ny karipetra iraniana dia fantatra amin' ny endriny tranainy. Ny Jajim (lamba mitovitovy amin' ny tsihy na bodofotsy), sy ny Palas (lamba volon' ondry vita an-trano), notenomin' ny mpanao asa tanana eo an-toerana, dia mbola zava-kanton’ io faritra io izay mampiseho ny fomban-drazana sy ny fahaiza-manaon' ny Torkmena any avaratra-atsinanana amin' i Iràna, izay miray lova ara-kolontsaina amin' ny mpifanolo-bodirindrina aminy any Torkmenistàna.
Tontolo iainana
[hanova | hanova ny fango]Mandritra ny volana mangatsiaka amin' ny taona, ny riakasian’ i Gomishan, toerana tena misy zavamananaina be dia be any Bandar Torkaman, dia misy vorona mpifindra monina an' arivony maro avy any Siberia lavitra any avaratra-atsinanana, anisan' izany ny vano, ny ganagana, ny vanobe (Ciconia) ary ny gisa.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Sehatra ofisialy