Hankany amin'ny vontoatiny

Gisa

Avy amin'i Wikipedia
Gisa (Anser anser)

Ny gisa dia voron-drano isan-karazany ao amin' ny fianakaviana Anatidae, lehibe noho ny ganagana na ny dokotra, fisa-bava, manana rantsan-tongotra efatra ka ny telo aloha atambatry ny hoditra mitapelaka ahafahany milomano tsara, fa misaraka amin' ireo telo ireo kosa ny iray aoriana. Maro karazana ny gisa ka ny sasany fiompy fa ny sasany dia gisadia sady mpifindra monina. Vorona mpihinana ahitra ny gisa ka misy ireo izay mpanimba voly. Isan-karazany ny lokon' ny gisa ka misy ny fotsy ranoray sy ny volondavenona.

Roa ihany ny karazana gisa ompiana eto Madagasikara, dia ny Anser anser domesticus sy ny Anser cygnoides domesticus.

Gisa (Anser anser domesticus)

Ohabolana malagasy momba ny gisa

[hanova | hanova ny fango]
  • Gisalahy homan-ketsa ka izy mangalatra indray no avo feo.
  • Gisalahy amoron' ony ka ny sisa tsy maty mihiaka.
  • Misoko mangina toa ron-gisa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]