Aotirisy (vorona)

Ny aotirisy na aositritsy dia vorona lehibe isan-karazany mamorona ny vondron-karazana Struthio, ao amin' ny fiakaviana Struthionidae, ao amin' ny vondrom-borona atao hoe Ratitae. Any amin' ny faritra midadasika sasany atsy Afrika no faritra voajanahary ahitana azy. Tsy manidina izy ireo fa mpihazakazaka. Misy kazana roa mbola velona ny aotrisy, dia ny Struthio camelus sy Struthio molybdophanes, izay efa neken' ny BirdLife International ny maha karazana manokana azy hatramin' ny taona 2014, ary noheverina ho zana-karazana miavaky ny Struthio camelus.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]Fanasokajian' ny International Ornithological Congress
[hanova | hanova ny fango]
Araka ny fanasokajiana filamatra nataon' ny International Ornithological Congress (versiôna 15.1, 2025) dia ireto ny karazana roa ao amin' ny vondron-karazana Struthio:
- Struthio camelus Linnaeus, 1758;
- Struthio molybdophanes Reichenow, 1883; indraindray heverina ho zana-karazan' ny Struthio camelus.
Ny zana-karazana Struthio camelus syriacus, izay velona tany Negev ary voaresaka ao amin' ny Baiboly, dia efa lany tamingana: nohazaina hatramin' ny naha lany tamingana tanteraka azy teo anelanelan' ny taona 1930 sy 1941.
Fanasokajian' ny Paleobiology Database
[hanova | hanova ny fango]Ity ny lisitry ny karazana araka ny Paleobiology Database (6 nov. 2012):
- Struthio asiaticus
- Struthio bradydactylus
- Struthio camelus
- Struthio camelus camelus.
- Struthio chersonensis
- Struthio orlovi
- Struthio wimani
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Akoho - Akanga - Dokotra - Dokotra fiompy - Ganagana - Gisa - Voromailala - Vorontsiloza
- Biby fiompy
- Fiompiana
- Vorona