Hankany amin'ny vontoatiny

Dokotra fiompy

Avy amin'i Wikipedia
Dokotra fiompy

Ny dokotra fiompy dia karazan-dokotra (Cairina moschata) ompiana avy amin' ny taranaka ganagana avy any Amerika. Mena ny hodi-dohany avy any amin'ny foto-bavany hatrany amin'ny vozony, indrindra ny an'ny lahy. Misy kambiny sahala amin' ny an' ny vorontsiloza ny eo ambonin'ny orony, fa ny azy tsy mety mihalava.

Dokotra fiompy

Rehefa masiaka izy na misy zavatra atahorany dia mitsanga ny volondohany. Tsy mamoaka feo firy ny lahy. Mety miseho amin'ny endrika maro ny volon'ity karazan-dokotra ity, ka misy ny fotsy, misy ny mainty, misy ny mena, misy ny mainty sy fotsy ary misy ny manga.

Dokotra mena

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]