Akanga

Ny akanga dia vorona isan-karazany izay samy ao amin' ny fianakaviana Numididae (indraindray apetraka amin' ny an' ny Phasianidae), ao amin' ny filaharana Galliformes, teratany aty Afrika. Mitovitovy endrika sady iray tarika amin' ny akoho sy ny vorombola izy ireo, fa izy somary kely loha sady manana volo mainty mipentipentina fotsy. Maro karazana ny akanga ka ny sasany fiompy fa sasany hafa akangadia. Miara-monina sy miara-mandeha ny akanga, ary tia mandeha sy mihazakazaka amin' ny tany na dia afa-manidina soa aman-tsara aza. 40 hatramin' ny 72 sm ny habeny ary fohy sady miondrika ny rambony. Misy dongona somary maranitra sady mafy ny tampon-dohany. Ompian' ny olona mba hatao haingon-tanàna ny akanga nefa koa azo ompiana mba ho hanin-kena. Ao Afrika izay tany fiaviany sady ahitana akangadia betsaka. Tsy mifidy zavatra hohanina ny akanga, ka haniny na ny ahitra maitso, na ny voamadinika (vary, katsaka, sns), ny bibikely, ny biby madinika (voalavo, sahona, sns), ny kankana, ny sifotra, vitsika, hala, kongona, sns.

Miisa eo amin' ny 12 hatramin' ny 15 ny atodin' ny akanga ary mamana manritra ny 27 hatramin' ny 28 andro mba hahafoy ny atodiny. Samy mandray anjara amin' ny fitaizana ny zanany ny akangalahy sy ny akangavavy.
Vondron-karazana sy karazana
[hanova | hanova ny fango]
Araka ny fanasokajiana filamatra nataon' ny International Ornithological Congress (versiôna 15.1, 2025), ny fianakaviana Numididae dia asehon' ny karazana 8 mizara amin' ny vondron-karazana 4.
- Agelastes Bonaparte, 1850
- Agelastes meleagrides Bonaparte, 1850 –
- Agelastes niger (Cassin, 1857) –
- Numida Linnaeus, 1764 (1 espèce) ;
- Numida meleagris (Linnaeus, 1758) –
- Guttera Wagler, 1832
- Guttera plumifera (Cassin, 1857) –
- Guttera verreauxi (Elliot, DG, 1870) –
- Guttera pucherani (Hartlaub, 1861) –
- Guttera edouardi (Hartlaub, 1867) –
- Acryllium Gray, GR, 1840 (1 espèce) ;
- Acryllium vulturinum (Hardwicke, 1834) –
Ao amin' ny kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Fiforonan-teny
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe kanga ny akanga amin' ny teny soahily fa ayam mutiara kosa amin' ny teny indôneziana sy maley.
Ohabolana malagasy
[hanova | hanova ny fango]- Akanga maro tsy vakin' amboa.
- Ny akanga aza mahalala "Tsaratsarao", ka mainka ny olombelona.
- Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano.
- Na dia eo aza ny akanga tsara soratra, ny afindrafindrao tsy azo avela.
- Akanga diso an' Andringitra: ny tenabe no aty, fa ny fo mametsovetso any ihany.