Hankany amin'ny vontoatiny

Ganagana

Avy amin'i Wikipedia
Ganagana vavy (ankavia) sy lahy (ankavanana)

Ny ganagana dia voron-drano ao amin' ny fianakaviana Anatidae ao amin' ny filaharana Anseriformes izy ireo. Fisa-bava izy io sady mitovy endrika amin' ny hoho mifaingoka ny tendrom-bavany ambony. Ompian' ny olona noho ny henany sy ny atodiny izy. Mifanakaiky endrika amin' ny gisa ny ganagana fa ny gisa lava tenda sady lehibe kokoa. Izao koa ny anarana malagasy iantsana azy io: gana, kana, kanakana, vorombazaha.

Ganagana lahy
Ganagana vavy
Ganagana
Ganagana fotsy

Ny karazana antsoina matetika hoe "ganagana" sns dia ny Anas platyrhynchos, indrinra ny Anas platyrhynchos domesticus, nefa mety hantsoina amin' ny hoe "ganagana" koa ilay karazana atao hoe "dokotra": ny Cairina moschata, indrincra ny Cairina moschata domesticata.

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy momba ny ganagana

[hanova | hanova ny fango]
  • Tsy mba akanga hanidina aho, fa ny ganagana raisina amin' ny tendany.
  • Aza manao ganaganalahy, ka ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
  • Ganagana misasa loha ka samy manao ny saim-pantany.

Ohabolana malagasy momba ny vorombazaha

[hanova | hanova ny fango]
  • Akoho mikotri-borombazaha: kohokohoina, fisa-bava; havela, toa zanaky ny tena.
  • Ela nitsingolohana toa vorombazaha ka fisa-bava.
  • Gaga aho, hoy ny vorombazaha, fa ny rano nandroako no nahamasaka ahy.
  • Vorombazaha misasa, ka samia manao izay saim-pantany.
  • Manao tahaka ny vorombazaha: ny lahy hitarika no kely feo.
  • Ny vorombazaha no mahay an-tsingoloka fa tsy isika.
  • Ny vorombazaha no mitabataba, ka taitra ny sahona.
  • Raha an-tsingoloka no hatao dia ny vorombazaha no hahazo be.
  • Tahaka ny vorombazaha: raha mitsilany, fisaka ny tongony; miankohoka, fisaka ny vavany.
  • Toy ny vorombazaha: ary elatra fa tsy ary fanidina.
  • Tsy mba ny akanga hanidina aho, fa ny vorombazaha entina amin' ny tendany.
  • Vantotr' akoho eo an-tanan-tompony, sy vorombazaha raisina amin' ny tendany, ka samia mahazaka ny anjarany.
  • Vorombazaha mitety asa, ka ny tratra mangana, ny fe tapaka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]