Andrea (apôstôly)
I Andrea dia iray amin' ny apôstôly, Jiosy galileana sady rahalahin' i Petera (na Piera) izy. Mpianatr' i Joany mpanao batisa izy taloha. Atao hoe Prôtôkleto ("Ilay Nantsoina Voalohany") koa izy satria nanaraka an' i Jesoa (na Jesosy) raha vantany vao vita batisa (na batemy) ity farany.
Ny arany
[hanova | hanova ny fango]Ny hoe Andrea dia fanagasiana ny anarana amin' ny teny grika hoe Ἀνδρέας / Andreas. Andreas ihany koa no fiantsoana azy amin' ny teny latina. Andrew amin' ny teny anglisy fa André kosa amin' ny teny frantsay.
I Andrea araka ny Baiboly
[hanova | hanova ny fango]Araka ny voalaza ao amin' ny Baiboly dia teraka tao Betsaida tao Galilea (na Galilia) tao amoron' ny farihy Tiberiasy (na Tiberiada) i Andrea. Mpanjono tahaka an' i Simôna Petera rahalahiny izy. Tamin' ny voalohany dia mpianatr' i Joany Batista izy nefa rehefa nasehon' i Joany mpanao batisa fa i Jesoa no "ilay Zanakondrin' Andriamanitra izay hitondra ny fahotan' izao tontolo izao" (Joa. 1.29-40), dia nanaraka an' i Jesoa izy ka tsy nisaraka taminy intsony. Izy no mpianatra voalohany notaomin' i Jesoa hanaraka azy.
Mpanelanelana an' i Jesoa tamin' ny olon-kafa no tena ahafantarana an' i Andrea. Izy no naneho an' i Simôna rahalahiny tamin' i Jesoa. Tamin' ny nampitomboana isa ny mofo sy ny hazandrano dia izy no nitondra ilay zazalahy nanana mofo dimy sy hazandrano roa teo amin' i Jesoa. Tamin' ny fotoana te-hifanatrehan' ny Grika amin' i Jesoa dia tamin' i Andrea no nitenan' izy ireo an' izany.
Jereo koa:
[hanova | hanova ny fango]- Apôstôly: Andrea - Bartôlômeo - Filipo - Jakôba zanak' i Alfeo - Jakôba zanak' i Zebedeo - Joany - Joda - Jodasy - Matio - Petera - Simôna Zelôta - Tômasy