Abimeleka (mpitsara)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Abimeleka)
Ny nahafatesan' i Abimeleka, sary nataon' i Gustave Doré, taona 1866.

I Abimeleka dia mpitsaran' ny Zanak' i Israely izay nanendry tena ho mpanjaka. Zanak' i Gideôna mpitsara tamin' ny vadintsindranony avy any Sikema izy. Izy no nandimby an-drainy ary i Tôlà no nandimby azy. Atao hoe אֲבִימֶלֶךְ ’/ Ǎḇîmeleḵ ny anarany amin' ny teny hebreo. I Gideôna no nodimbiasiny ary i Tôlà no nandimby azy.

Taorian' ny nahafatesan' i Gideôna dia namono ny rahalahiny miisa 70 izay tsy iray reny aminy i Abimeleka alohan' ny handreseny lahatra ny vahoaka hanao azy ho mpanjakan' i Sikema. Nanandrana fitondrana mpanjaka tanatin' ny telo taona i Israely tamin' izay. Tsy nahomby izany noho ny halozan' i Abimeleka izay niteraka fikomiana ka nahafaty azy tamin' ny fahirano tao Tebeza, araka ny Bokin' ny Mpitsara (Mpits. 9.1-5).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]