Frantsa
Avy amin'i Wikipedia
| République française (fr) | |||||
| {{{{{langue2}}}}} | |||||
| {{{{{langue3}}}}} | |||||
| {{{{{langue4}}}}} | |||||
| {{{{{langue5}}}}} | |||||
| Repoblika frantsay (mg) | |||||
|
|||||
| Devise nationale : Liberté, Égalité, Fraternité | |||||
| Teny ofisialy | frantsay | ||||
| Renivohitra | Paris 48°52′N 2°19.59′E / 48.867°N 2.3265°E |
||||
| Tanàna ngeza indrindra | Paris | ||||
| Governemantan'i Firenena - filoha - Piray ministra |
Repoblika Nicolas Sarkozy François Fillon |
||||
| Fivelarana - Tontaliny - Rano (%) |
faha 41[1] 675 417[2] km² 0,26% |
||||
| Isam-ponina - Tontaliny (Janoary) - fikitroana |
faha 21 65 073 482[3] mpo. 96,3[4] mpo./km² |
||||
| Anaran'ny mponina | Frantsay | ||||
| IDH (2006) | ▲ 0,955 (ambony be) faha 11 | ||||
| Monnaie | Euro sy Franc CFP[5]Endrika:,[6] (EUR) |
||||
| Fiozao ny ora | UTC +1 (CET) ; | ||||
| Hymne national | 'La Marseillaise' | ||||
| Domaine internet | |||||
| Antso an-tariby |
+33 |
||||
Frantsa na République Française (amin'ny fiteny malagasy : Repoblika Frantsay) dia firenena mpikambana amin'ny vondrona eoropeanina. Any Eoropa andrefana ny misy azy. Manana zanatany (Territoire sy département d'outre-mer) maromaro ny lafrantsa, ny ngeza indrindra amin'izy ireo dia ny Guyane Française.
Ny renivohiny, Paris, dia anisan'ny be mpitsidika indrindra eto an-tany, 45 tapitrisa ny isan'ny torista mandeha any isan-taona. Manam-pivelarana 675 417 km2 ny lafrantsa raha kaontiana ny fivelaran'ny zanatany. Ny isa-mponiny dia nikaonty 65,1 tapitrisa tamin'ny 1 Janoary 2009[7].
Ny fiteny frantsay ny tenim-pirenenan'i Frantsa. Kanefa ny fiteny hafa tenenina any frantsa dia miisa dimy ambin'ny folo raha kaontiana ny fiteny tenanin'ny vahiny[8]. Any frantsa no be mpiteny frantsay indrindra ao aorian'i Repoblika Demokratikan'i Kongo.
Ny fiangonana any Frantsa dia fiangonana katôlika, 51-64 isan-jaton'ny frantsay no vita batemy. Fa milaza agnôstika ny 32 isan-jaton'ny frantsay, ary mitovy isa ny isan'ny tsy mpino[9].
Ny andriky ny toe-karenan'i lafrantsa dia kapitalista, fa betsaka ihany ny orinasa tantanan'ny firenena teo aorian'ny Ady Lehibe Faharoa, mba hamerina ny herin'ny ekonomiany. Fa tamin'ny 1980, nisy reforma be dia be natao mba hanao privatisatio ny orinasa pioblika (publique). Tamin'ny 2008, lafrantsa ny tanjaka faha dimy eo an-tany, eo aorian'ny Etazonia, ny Japana, ny Sina sy ny Alemaina.
Votoatiny |
[Ovay] Tantara
[Ovay] Fiavin'ilay anarana hoe « France »
Ny anarana Frantsa dia avy amin'ny teny frantsay hoe France avy amin'ny teny latina Francia. Tamin'ny voalohany, tenenina hoe Francia ny faritany avaratr'i Eoropa misy mponina Jermanika mitondra anarana hoe Franka. Fizarana latina tamin'ny taonjato faha 3 ny francia, avy amin'ny fiteny franka franko(n) izy io ; io anarana io dia anaran'ny flandira Belzianina ankehitriny.
[Ovay] Jeografia
[Ovay] Sisintany
Ny tany frantsay any Eoropa dia voafaritra amin'ny Ranomasimbe Atlantika any andrefana, voafaritra ny La Manche (ranomasina manasaraka azy amin'ny Englandy) sy ny Ranomasina avaratra any avaratra, voafaritr'i Belzika, Luxemburg, Alemaina, Soisa sy Italia any atsinanana, ary ny ranomasina Mediteranea, Andora, Monako sy Espaina any atsimo.
Ny (zana)tany frantsay amin'ny kontinenta dimy dia voafaritr' Brezily sy Surinam any amin'ny Guyane Française, voafaritr'i Kanada any Saint-Pierre et Miquelon ary voafaritr'i Fanjakan'ny Holandy any amin'ny Nosy Masina Martin, voafaritry ny ranomasina ihany koa ny tany frantsay : ny Ranomasimbe Pasifika any Polinezia, ny Ranomasimbe Indianina any Mayotte sy any La Réunion, ny Ranomasina Karahiba any Guadeloupe, any Martinique, any amin'ny Nosy Masina Martin ary ny Nosy Masina Barthelemy.
Any andrefan'i Eoropa no misy ny tanin'ny lafrantsa metropolitany. Manana (zana)tany koa ny laftantsa any ivelan'i Eoropa : Any Amerika Avaratra, any Antila, any Amerika Atsimo, any Afrika (Ranomasimbe Indianina) any avaratra sy any atsimon'ny Ranomasimbe Pasifika sy any Antarktika. 2 970 km ny halava ny sisintany zarainy amin'ny firenena valo (any eoropa) : Espaina (650 km), Belzika (620 km), Soisa (572 km), Italia (515 km), Alemaina (450 km), Luxembourg (73 km), Andora (57 km) ary Monako (4,5 km). Any Amerika Atsimo, mizara sisintany amin'i Brezily (720 km) sy Surinam (520 km) ny Guyane Française. Misy sisintany manana halavana 10,2 km (tsy tena hita maso) eo amin'ny nosy Masina Martin manasaraka ny tanin'ny Repoblika Frantsay sy ny tanin'ny Fanjakanan'i Holandy. Amin'ny farany, ny Tany Adelia (ao amin'ny TAAF), lazain'i Frantsa ho azy, dia tany be ao Antartktika lazain'i Aostralia ho azy.
Ny frantsa metropolitany dia manam-pivelarana 543 965 km2 (655 688 km2 miaraka amin'ny zanatany), mivelatra 1 000 kilometratra ny lafrantsa amin'ny teza avaratra-atsimo sy amin'ny teza atsinanana-andrefana. Izy ny firenena ngeza indrindra eo aorian'i Rosia sy Okraina ; ary izy ny firenena ngeza indrindra ao amin'ny vondrona Eoropeanina. Ny halava ny amorontsirany dia misy 3 427 km (raha tsy kaontiana ny amorontsirak'i Korsa miisa 1 000 km).
[Ovay] Demografia
Miisa 65 073 482 ny isan'ny olona miaina any frantsa tamin'ny 1 Janoary 2009[10]. 62 448 977 no miaina any amin'ny metrôpôly. Misy census atao isan-taona tamin'ny taona 1801 hatramin'izao, fa tamin'ny fanombohan'ny taona 2004, atao lalandava ny census.
Anisan'ny ambony indrindra any eoropa ny fitombo ny isa-mponina any Frantsa, ambon'ny nohon'ny elanelana eoropeanina ny isan'ny teraka any Frantsa (830 900 ny teraka ary 531 200 ny maty), ary mihakatra ny solde migratoire (olona 100 000) : noho izany dia nihakatra 0,61 isan-jato ny isa-mponinan'i Frantsa.
[Ovay] Rohy Ivelany
|