Isam-ponina

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny fiitatry ny isam-ponina eny amin'ny firenena mandroso sy ny eny amin'ny firenena ambany fandrosoana

Ny isam-ponina dia ny fitambaran'ny isan'ny olona

  • Miaina ao amin'ny faritany iray (tanàna, faritany, firenena, kaontinenta, tontolo).
  • Mahazo alalana ofisialy miaina eo amin'ny faritany iray.

Ny olana mahakasika ny isam-ponina dia dinihan'ny demografia na siansa mahakasika ny mponina. Dinihana amin'ny sôsiôlojia, amin'ny ekonomia ary amin'ny jeografia ny fihetsiky ny olombelona. Matetika ampiasaina amin'ny marketing ny data demografika.

Tamin'ny 2006, ny fiitatry ny isam-ponina erak'izao tontolo izao dia 1,14% monja.

Votoatiny

[hanova] Isam-ponina erak'izao tontolo izao

[hanova] Araka ny kaontinenta

Fizarazaran'ny isam-ponina erak'izao tontolo izao
Kaontinenta Isam-ponina Isan-jaton'ny
isam-ponina
Azia 4 030 000 000 60,5 %
Afrika 965 000 000 14,0 %
Eoropa 731 000 000 11,3 %
Amerika latina sy Karaiba 572 000 000 8,6 %
Amerika avaratra 339 000 000 5,1 %
Oseania 34 000 000 0,5 %

18,3%n'ny isam-ponina eto an-tany no mipetraka eny amin'ny firenena mandroso, ary 81,7% mipetraka eny amin'ny faritany ambany fandrosoana.

[hanova] Fivoaran'ny isam-ponina araky ny fandrosoan'ny taona

Ny isam-ponina teto an-tany tamin'ny 1800 hatramin'ny faminavinana ho an'ny taona 2100.

Vinavinaina ihany ny habetsaky ny olona eto an-tany. Ho an'ny isam-ponina talohan'ny taonjato faha 19, vinavinaina ny hakitroky ny mponina amin'ny alàlan'ny taham-pamokaran'ny tany volena.

Tanaty lahatsoratra iray tamin'ny 1995 (nohavaozina tamin'ny 2002), ny demografita Carl Haud avy amin'ny Biraom-panisan'i Etazonia, dia naminavina fa 106 miliara ny isan'ny olona niaina teto an-tany.

Ny faminavinana ny isam-ponina araka ny fandrosoan'ny taona dia mifototra amin'ny sentezy navoakan'nny Biraom-panisan'i Etazonia ho an'ny fe-potoanna manomboka amin'ny taona -10000 hatramin'ny taona 1940. Ny fandalinan'i Gregory Cochran mahakasikan'ny ADN ara-mitokondria dia ahafahana maminavina ny isam-ponina amin'ny taona mbola talohan'ny taona -10000.

Rehefa dinihana akaikyu ny isam-ponina, dia hita fa ambany ny fiitany, nandritry ny taonarivo maro dia maro. Tamin'ny fotoana maoderina ny isam-ponina no nanomboka niitatra : 650 tapitrisa tamin'ny 1750, lasa 1,2 miliara izy zato taona taoriana, ary 2,5 tapitrisa tamin'ny 1950.

Tratra tamin'ny volana Oktobra tamin'ny 1999 ny enina tapitrisa mponina.

[hanova] Tantara

Noho ny voina lehibe nitranga (jereo ny voin'i Toba) tamin'ny taona faha 7 alina talohan'i Jesoa Kristy, nihavitsy ny isam-ponina teto an-tany. Taorian'io voina io hatramin'ny fanabeazana ny fambolena, vinavinaina eo amin'ny iraika tapitrisa eo ho eo ny isan'ny mponina miaina erak'izao tontolo izao. Ireo olona ireo talohan'ny fanabeazana ny fambolena, dia mitady sakafo amin'ny alàlan'ny fihazanana, ary ny fihotiana. Rehefa kely ny hakitroky ny mponina, dia mbola mahafeno ny kibo ny fihotiana sy ny fihazanana. Nitombo ny isam-ponina nandritry ny taonarivo faha 7 TJK hatramin'ny taonjato faha 4 : 55 tapitrisa tany ho any ny isam-ponina ao amin'ny Empira Romana. Taorian'ny fanonganana ny Empira Romana tamin'ny taonjato faha dimy, mijanona ny fitomboan'ny isam-ponina. Noho ny aretina tononina hoe pestan'i Jostiniana tamin'ny 540, nihidina ny isam-ponina tao amin'ny Empira Romana Atsinanana (Empira Bizantina). Io pestan'i Jostinina io dia pesta nahavono olona indrindra tao Eoropa alohan'ny Pesta mainty valonjato taona taty aoriana.

[hanova] Isam-ponin'ny firenena be mponina indrindra

[hanova] Firenena ambony hakitroka

Hakitroky ny mponina ; sarintany tamin'ny 1994
Ny faritany 10 be hakitroka indrindra
Laharana Firenena/Faritany Isam-ponina Velarantany (km2) Hakitroka (i.-p. / km2) Tsiahy
1 Flag of Monaco.svg Monako 32 719 1.95 16 779 [1]
2 Flag of Singapore.svg Singapaoro 4 620 657 707,1 6 535
3 25px Vatikana 824 0.44 1 873 [2]
4 Flag of Maldives.svg Maldiva 385 375 298 1 293
5 Flag of Malta.svg Malta 404 032 316 1 279
6 Flag of Bahrain.svg Baharainy 723,967 665 1,089 [3]
7 Flag of Bangladesh.svg Bangladesa 157 813 124 147 570 1 069 [4]
8 25px Tany palestiniana 4 223 760 6 020 702
9 Flag of Nauru.svg Naoro 13 918 21 663
10 Flag of the Republic of China.svg Taiwan 22 955 395 36 190 634 [2]
Firenena milahatra ambony amin'ny isam-ponina manontolo (mahery ny 15 tapitrisa mponina) ary amin'ny hakitroky ny mponina :
Laharana Firenena Isam-ponina Velarantany (km2) Hakitroka (i.-p./km2) Tsiahy
1 Flag of India.svg India 1 190 720 000 3 287 240 362 Taham-piitarana ambony
2 Flag of Bangladesh.svg Bangladesa 157 813 124 143 998 1 069 Taham-piitarana ambony be
3 Flag of Japan.svg Japana 127 170 110 377 873 337 Taham-piitarana miiba
4 Flag of the Philippines.svg Filipina 93 843 460 300 076 313 Taham-piitarana ambony be
5 Flag of Vietnam.svg Vietnam 85 789 573 331 689 259 Isam-ponina miitatra
6 Flag of the United Kingdom.svg Fanjakana Mitambatra 62 041 708 243 610 255 Isam-ponina ambany fiitarana
7 Flag of South Korea.svg Korea Atsimo 49 354 980 99 538 493 Isam-ponina ambany fiitarana
8 Flag of the Republic of China.svg Taiwan 22 955 395 35,980 639 Isam-ponina ambany fiitarana
9 Flag of Sri Lanka.svg Sri Lanka 20 238 000 65 610 309 Taham-piitarana ambony
10 Flag of the Netherlands.svg Nederlanda 16 630 000 41 526 400 Isam-ponina ambany fiitarana

[hanova] Fiitatra

Ny isan'ny zaza ananan'ny vehivavy
Ny isam-ponina (avy amin'ny data omen'ny FM.

Samihafa araka ny kaontinenta ny fiitatry ny isam-ponina. Ny isam-ponin' Azia izao dia nahazo 237 tapitrisa mponina tanenalenan'ny taona 2000 hatramin'ny taona 2005.

Tamin'ny taonjato faha roapolo, niitatra be mihitsy ny isam-ponina noho ny fihatsaran'ny fitsaboana sy ny fandrosoan'ny siansa sy ny teknolojia amin'ny lafin'ny fitsaboana, miaraka amin'ny fihabetsahan'ny vokatry ny saha.

Tamin'ny 2000 ny Firenena Mikambana dia naminavina ny taham-piitaran'ny isam-ponina ho 1,14 isan-jato ary isan-taona (+75 tapitrisa mponina). Ny isam-ponina tamin'ny taona roa arivo dia im-polon'ny isam-ponin'ny Tany tamin'ny 1700. Araka ny ambaran'ny CIA World Factbooks miampy 211 090 eo ho eo ny isam-ponina isan-andro tamin'ny 2000 ary 220 980 tamin'ny 2009.

Amin'ny ankapobeny, nidina ny taham-piitaran'ny isam-ponina manerana ny tany, afatsy ny any amin'ny faritra Afrika Sobsahariana, any Amerika Latina ary any Azia Andrefana.

[hanova] Demografia

[hanova] Jereo koa

[hanova] Rohy ivelany

[hanova] Tsiahy

  1. The Monaco government uses a smaller surface area figure resulting in a population density of 18,078 per km².
  2. 2,0 et 2,1 Population density calculated using surface area and population figures from the CIA World Factbook.
  3. mohammed al a'ali (April 1, 2008). Population surge 'threat to economy'. gulf Daily News. Retrieved on 2008-04-21.
  4. Latest figure from the World Bank Development Indicators Database is 1,090 per km².
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Fitaovana manokana
Valam-pejy

Ny ''skin'' Voasintona
Tao
Fitetezana ny wiki
Fikambanana
Handray anjara
Fanoroana sy fitsipika
Fitaovana
Amin'ny tenim-pirenena hafa