Amerika Avaratra
Ny Amerika Avaratra dia zana-kaontinanta na kaontinanta iray araka ny fomba fijery. Ny atao hoe Amerika Avaratra dia fikambanan'ny firenena telo : ny Etazonia, ny Kanada ary ny Meksika, na dia sokajiana ao amin'ny Amerika Afovoany aza ny Meksika eny amin'ny boky jeografia somary efa taloha.
Ny Ranomasimbe Pasifika dia any andrefana, ny Ranomasimbe Atlantika any atsinana ary ny Ranomasimbe Arktika dia any avaratra.
Ny velarantan' Amerika Avaratra dia 23,75 tapitrisa kilometatra efa-mira ; ny Kanada no firenena ngeza indrindra raha araka ny velarantany, dia aveo arahan' Etazonia (9,63 tapitrisa km²) sy Meksika (1,97 tapitrisa km²). Ny isam-poniny dia 443,36 tapitrisa mponina ; ny Etazonia no be mponina indrindra (301 tapitrisa mponina, manana hakitroka 31 mponina isaky ny km²) arahan'i Meksika (107 tapitrisa) sy Kanada (31 tapitrisa).
Ny tanàna ngeza indrindra ao Amerika Avaratra dia Mexico (Meksika), New York (Etazonia), Los Angeles (Etazonia) ary Chicago (Etazonia).
Ny fiteny miasa ao dia ny fiteny anglisy any Kanada sy any Etazonia, ny fiteny espaniola any Meksika sy any Atsimon' Etazonia ary ny fiteny frantsay ao Québec, any atsinanan'i Kanada.
Votoatiny |
Fizarana Jeopolitika [hanova]
Any avaratry ny kaontinantan' Amerikadia misy an' Amerika Avaratra, mamondrona ny firenena manaraka :
- Any avaratra atsinanana'ny kaontinanta, ny nosin'i Groenland (tanimaitso), nosy faharoa ngeza indrindran'ny tontolo (ao aorian' Aostralia). Ara-jeografia, izy io dia ao amin'ny kaontinantan' Amerika Avaratra, fa raha amin'ny ara-politika, izy io dia faritany mizaka-tenan'ny fanjakan'i Danemarka.
- Ny Kanada, miaraka amin'ny nosy akaikiny
- Ny nosin'i Vanvouver, sy ny Nosin'ny Mpanjakavavy Charlotte any andrefana,
- Ny nosin'i Printsy Edouard, any Terre-Neuve sy ny Nosin'i Cap-Breton any atsinanana,
- Ny tambanosy arktika kanadiana miaraka amin'ny Nosin' Ellesmere, ny nosin'i Baffin sy ny Nosy Victoria any avaratra.
- Ny tambanosin'i Saint-Pierre-et-Miquelon, faritany frantsay.
- Ny Etazonia, miaraka amin'ny Nosy Aleota sy ny Alaska ;
- Ny Bermoda, faritany any ampitan-dranomasina mizaka tena an'ny Onaiteda Kingdoma :
- Ny Meksika.