Aostralia, izay mitondra ihany koa ny anarana Commonwealth an'i Aostralia (amin'ny teny anglisy Commonwealth of Australia) dia firnena ao min'ny ila-bolantany atsimo. Ao Oseania, i Aostralia dia ny firenena lehibe indrindra ary be mponina indrindra. Ao amin'ny Commonweakth an'i Aostralia dia ahitana an'i Tasmania ary nosy hafa maro ny ranomasimbe Aostrala, Pasifika ary Indianina. Ny firenena manodidona azy dia i Indonezia, Timor Atsinanana, ary Papoazia Ginea Vao any avaratra, i Nouvelle-Calédonie any avaratra atsinanana, Nouvelle-Zélande any atsimo atsinanana ary ny Tany frantsain'ny nosy Kerguelen any andrefan'ny nosy aostralianina Heard ary McDonald.
[hanova] Fiavian'ny anarana hoe Aostralia
Ny teny Aostralia dia avy amin'ny fiteny anglisy Australia, izay avy amin'ny teny latina Australis ("Atsimo"). Tamin'ny taonjato faharoa, nihevitra ny siantifika latina fa misy kaontinenta tsy fantatra eo amin'ny ilabolantany atsimo (izay manana anarana hoe Terra Australis Incognita) mba tsy hisavilivilian'ny tany noho ny lanjan'ny kaontinenta ao amin'ny ilabolantany avatatra. Ny fampiasana voalohany ny teny Australia (fa tsy Terra Australis intsony) tamin'ny teny anglisy dia tamin'ny 1625 ("A note of Austrlia del Espiritu Sancto"), izay nosoratan'i Master Hakluyt, navoakan'i Samuel Purchas tao amin'i Hakluytus Posthumus[1]). Ny mpamaritra anarana nerlandey Australische dai nampiasaina tanaty lahatsoratra ofisialin'ny zanatany holandein'i Indonezia hamaritana ireo tany hita tao atsimon'i Indonezia tamin'ny 1638. Navadika teny frantsay ho Australie ilay teny Australia ary fampiasana azy voalohany tanaty boky dia tamin'ny taona 1676 tao amin'i La Terre Australe, tantara noforonina mikasika olona noforonina, izay noforonin'i Gabriel de Foigny[2]. Nampiasain'i Alexander Dalrymple ilay teny tao amin'ny boky An Historical Collection of Voyages and Discoveries in the South Pacific Ocean tamin'ny taona 1771 hanononana ireo tany hita tamin'ny faritra atsimon'ny Ranomasimbe Pasifika. Tamin'ny 1793, namoaka ny boky Zoology and Botany of New Holland i George Kearsley Shaw ary i Sir James Smith ary io no nosoratany : "Nosy be, na kaontinenta, an'i Aostralia, Aostralazia na Holandy Vao"[3]
Efa ho 50 000 taona lasa izay ny olombelona no nipetraka tany Aostrala. Ireo mponina voalohany nipetraka tao Aostralia ireo, izay antsoina ihany koa hoe Aborijinina, dia tonga tao Aostralia avy tany Indonezia tamin'ny fampitana ny tanjona maro vokatry ny fitambaran'ny nosin'i Ginea Vao, i Aostralia ary i Ginea Vao.
Tamin'ny taona 1606 ny eoropeanina no tonga voalohany tao Aostralia.
[hanova] Toe-karena
[hanova] Rohy ivelany
- ↑ Purchas, vol. iv, p. 1422–32, 1625.
- ↑ La Terre australe connue : 1676 / Gabriel de Foigny ; éd. établie, présentée et annotée par Pierre Ronzeaud. - Paris : Sté des textes français modernes, 1990. - XCVIII-242 p. ; 18 cm. ISBN 2-86503-191-8
- ↑ the vast island, or rather continent, of Australia, Australasia or New Holland
|