Amerika
I Amerika dia anisan'ny kaontinenta dimy, ny ranomasina mamaritra azy dia ny ranomasimbe Pasifika any andrefany, ny ranomasimbe Atlantika any atsinanany, ny ranomasimbe Arktika any avarany ary ny ranomasimbe Atsimo any atsimony. Ny faritany tena misongadina dia i Amerika Avaratra ary Amerika Atsimo. Ireo faritany roa ireo dia voasaraky ny isman'i Panama.
Amin'ny lafiny ara-jeografia, ny velarantaniny dia 42 tapitrisa kilometatra toratroa ary ny isam-ponina dia 930 tapitrisa mponina teo ho eo araka ny fanakekezana natao tamin'ny taona 2009.
[hanova] Jeografia
I Amerika Avaratra avy amin'ny tampony avaratra hatramin'ny tampony atsimo dia mirefy 5 arivo sy iray alina kilometatra. Avy amin'ny lafiny andrefana hatrany amin'ny lafiny atsinanana dia ahitana karazan-endri-paritra telo :
- Ny amorontsiraka andrefana dia ahitana tendrombohitra avo (mahatakatra hatrany amin'ny 6 959 metatra ny tendrombohitra Aconcagua) : ao Amerika Atsimo no ahitana ny tangorombohitra lava indrindra ivelan-dranomasina (6 000 kilometatra ny avy any atsimo mianavaratra).
- Eo amin'ny amorontsraka atsinanana indray no ahitana tany lemaka. Misy ihany ny tendrombohitra anefa ny haavony dia tsy mihoatra ny telo arivo metatra mihitsy ; ohatra izao ny tangorombohitr'i Appalaches any Avaratra, na ny tany avo brazilianina any Atsimo.
- Ny faritra afovoan'ny kaontinenta amerikanina roa indray dia ahitana na tany lemaka (eo amin'ny faritra afovoan'ny Amerika Avaratra), na alabe rehefa manakaiky ny Fehibe (alan'i Amazonia, any Amerika atsimo). Ny toerana isian'ireo tany lemaka ary alabe ireo dia tany lemaka ambany haavo ikambanan'ny renirano (bassin).
[hanova] Ny mponina
Ny isam-ponin'i Amerika dia nakekezana ho eo amin'ny 930 tapitrisa eo tamin'ny 2009. Ny isam-poniny amin'izao fotoana izao dia in-jaton'ny isam-poniny vao zato taona lasa izay. Izy io dia noho ny fifindra-monina ary ny fitombohan'ny isam-ponina ao amin'ny farirta Atsimon'i Amerika ary eo amin'ny faritra Karaiba.
Ny toerana ipetrahan'ny ankapoben'ny mponina ao Amerika dia amina tanàna eo amin'ny faritra amorontsiraka, ahitana ny tanàna lehibe indrindra eto an-tany (São Paolo, Rio de Janeiro, Buenos Aires, na New York, Boston, Los Angeles...)