Kanada
| Canada ((fr)) | |||||
| Canada en | |||||
| Kanada ((mg)) | |||||
|
|||||
| Teny filamatra : (Latin) A Mari Usque Ad Mare « D'un océan à l'autre » |
|||||
| Teny ofisialy | Anglais Français |
||||
| Renivohitra | Ottawa 45° 24' N, 75° 40' O |
||||
| Tanana ngeza indrindra | Toronto, Montréal, Vancouver, Calgary, Ottawa, Edmonton, Québec, Winnipeg, Hamilton. | ||||
| Fitondrana sy governemanta - Reine - Mpanjaka - Praiministra |
Fanjakana ara-dalam-panorenana Élisabeth II David Lloyd Johnston Stephen Harper |
||||
| Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 2 9 984 670 km² 8,62 % |
||||
| Isam-ponina - Tontaliny (2009) - hakitroka |
faha 37 34 157 950 (6 Septambra 2009)[1] mpo. 3,42 mpo./km² {{{1}}} |
||||
| Anaran'ny mponina | kanadianina | ||||
| IDH (2008) | mahazo 0.967 (mihakatra) faha 3 | ||||
| Sandam-bola | Dollar kanadianina (CAD) |
||||
| Fiozao ny ora | UTC -3,5 à -8 | ||||
| Hiram-pirenena | Ô Canada | ||||
| Valan-tsehatra internet | |||||
| Antso an-tariby |
+1 |
||||
Ny Kanada dia firenena any amerika avaratra. Any avaratry ny Etazonia ny misy azy. Tenenina « [kanada] » ny anarany amin'ny fiteny frantsay ary « [ˈkʰænəda] » amin'ny fiteny anglisy.
Hitan'i Jacques Cartier tamin'ny 1534, zanatany frantsay ny satan'ny Kanada eo amin'ny faritan'ny Quebec, tanàna noforonin'i Samuel Champlain tamin'ny 1608 teo amin'ny sahan'i Saint Laurent. Ny tompontany aloha no nipetraka teo, ary nanana fifandraisana diplômatika tsaratsara ny frantsay tamin'izy ireo. Nitondra mpanjanatany (colons) sivy arivo sy enina alina ny frantsay tany amerika avaratra hatramin'ny 1763. Teo aorian'io fanjanatany frantsay io, lasan'ny Britanika teo ny Nouvelle-France kelikely teo alohan'ny fahaleovantenan'ny Etazonia, ny mpanjanatany britanika indray dia tonga avy any Nouvelle-Angleterre nandositra noho ny tolom-piavotana amerikana. Tamin'ny 1867, voaforon'ny Britanika ny Dominion-n'ny Kanada, teraka avy amin'ny fivondronan'ny zanatany Britanika telo : Ny Kanada navondrona, ny Nouveau-Brunswick ary ny Nouvelle-Écosse. Ny « Acte de l'Amérique du Nord britannique », lalàna britanika natao tamin'ny 1867 dia naverina tany Angletera tamin'ny 1980 mba hanome lalam-panorenana ho an'ny Kanada. Ankehitriny, firenena manana faritany mizaka tena (Etat federal) ny Kanada, manana faritany folo ary tany telo, ireo faritany folo sy tany telo ireo dia samy manana ny praiminisitra-ny sy ny assemblée législative-ny. Nahazo ny fahaleovantenany avy amin'ny Onaited-Kingdoma ny Kanada, ary tsy nisy ady natao ho an'io fahaleovantena io, nanomboka tamin'ny 1867 io procedure io ary tapitra tamin'ny 1982.
Ankehitriny, ny Kanada dia fanjakana ara-dalam-panorenana manana rejima ara-parlemanta, mitonon-tena fa firenena miteny fiteny roa ary manan-kolotsaina maro samihafa ; samy teny ofisialy sy tenim-pirenena ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy. Miankina amin'ny harena an-kibon'ny tany sy ny varotra atao amin'ny Etazonia ny toe-karenany.
Ny Quebec irery ny faritany be mpiteny frantsay, ary izy irery ny faritany tsy manana ny fiteny anglisy teny ofisialy. Miteny anglisy faholo ny ankabiazan'ny faritany rehetra. Tany Kanada tamin'ny 2006, 9,6 tapitrisa ny mpiteny frantsay (30,7%) ary 26,6 tapitrisa ny mpiteny anglisy (85 %)
Tsiahy [hanova]