Ranomasimbe Pasifika

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny ranomasimbe Pasifika miloko manga

Ny ranomasimbe Pasifika, mivelatra amina velarana 166 241 700 km², dia ranomasimbe mivelatra indrindra eto an-tany. Mamaritra ny Oseania izy ary nosy sy tamba-nosy sasantsasany an' Azia (Japana, Filipina, Insulinde). Voarafaritry ny Azia, ny Aostralia, ny Amerika sy ny ranomasimbe Atsimo izy. Ny fariny amin'ny ranomasimbe Atsimo dia eo amin'ny laharam-pehintany faha 60. Ny ranomasimbe pasifika atsinanana sy andrefana dia voasaraka ny laharan-jarahasina faha 180.

Jeografia[hanova | modifier le wikitexte]

Ny ranomasimbe pasifika sy ny fehn'afo (mena)

Ao amin'ny ranomasimbe Pasifika no mahita ny tevana lalina indrindra eto an-tany, ny halalin'izy ireo dia mety mahatratra 10 kilometatra mahery ohatra ny tevan'i Korily, ny Marianina, ary ny Filipina. Betsaka ihany koa ny harandriaka ohatra ny Nosy Krismasy, ny atoll mivelatra indrindra ary antitra indrindra eto an-tany.

Ny Pasifika dia be toerana ivoahan'ny vatomiempo mafana avy any anivon-tany (hotspot). Ny hotspot dia mampisy ny tamba-nosy toy ny nisy Hawaii-Empereur ary ny tendrombohitra ambanin-dranomasina Louisville.

Ny sisin'ny ranomasimbe Pasifika dia ny fehin'afo (ceinture de feu) afatry ny atsimo makany amin' Antarktika. Avy amin'io fehin'afo io ny horohorontany mampisy ny tsunami. Tamin'ny 1900 ka hatramin'ny 2004, tsunami 796 no hita, ary 17% tamin'izy ireo no nisy tany Japana. Ny santra iraisam-pirenena fanatairana, ny Pacific Tsunami Warning Center, dia asaina mitazana sy manaitra ny mponina na ny governemanta raha mety hitera-doza ny tsunami.

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.