Wikipedia:Vangovango
Avy amin'i Wikipedia
Ny vangovango (stub amin'ny fiteny anglisy), eto amin'ny wikipedia, dia lahatsoratra tsy dia nofenoin'ny mpandray anjara. Ny vangovango dia lahatsoratra tenenina hoe "fohy" : kely dia kely ny fampahalalàna omen'ny vangovango, ary mety dika fotsiny ny azavainy. Na dia izany, manana fahafahana ny vangovango, raha tena manana ny toerany ato amin'ny raki-pahalalàna ilay vangovango na tsia : ny tanjona tokony ho takarina izany dia manatsara ny vangovangon'i Wikipedia mba ho lahatsoratra tsara natomboka. Mahazo manamboatra vangovango iray ny mpandray anjara, na mameno - io ny sokajy voalohan'ny lahatsoratra mety ho vita.
Afaka manao sy manatsara vangovango daholo ny mpikambana rehetra eto.
Votoatiny |
[Ovay] Ny tokony fantatra momban'ny vangovango
Ny lahatsoratra vangovango dia lahatsoratra fohy loatra mba hanome fampahalalàna, fa manome ny dikany. Amin'ny ankabobeny, manazava ny lohatenin'ilay lahatsoratra ny vangovango, mety fehezanteny iray na roa fotsiny miampy rohy anaty sy ivelany maromaro.
Hita koa tsindraindray fa lazaina hoe "vangovango" ny lahatsoratra efa lavalava, fa mbola vangovango izy satria ilaina avelatra kokoa ilay takelaka, mila antsipirihany.
Misy koa lahatsoratra fohy tsy lazaina hoe vangovango satria, na dia tsy lava aza ilay lahatsoratra, efa lazaina hoe "feno" ilay izy satria tsy mila famelabelarana.
Azo lazaina koa hoe vangovango ny lahatsoratra rehefa tsy dia mahafantatra zavatra amin'ilay taranja ilay mpandray anjara.
[Ovay] Ny satan' ny vangovango
Tsotra dia tsotra no manambara hoe vangovango, mila apetraka fotsiny ny endrika {{vangovango}}(m•d).
- Ohatra
{{vangovango|madagasikara}}
- manomeha
[Ovay] Manala ny sata vangovango
Esory ny endrika {{vangovango}}(m•d) rehefa hitanao feno tsara ny takelaka.
[Ovay] Ny vangovango tsara voatomboka
Rehefa manoratra lahatsoratra vangovango ianao, dia tsara tadidiana fa ny vangovango dia tokony hofenoina. Mba hanintona ny mpandray anjara hafa hanao izany, dia tsara asiana ny fampahalalàna tokony misy ilay vangovango, raha tsy izany dia mety ho hadino ilay vangovango, na mety ho voafafa ny mpandrindra noho ny izy ratsy endrika na ratsy vintana. Ny vangovango dia tsy maintsy soratana tao aoriana fikarohana, na avy amin'ny fahaizanao - manana source azo jereina na azo vakiana ny tena mikaonty. Tsy maintsy manaraka ny fitsipik'i Wikipedia ny vangovango tahaka ny lahatsoratra tsotra, indrindra ny "fijerena tsy mitongilana"
Tsara atomboka amin'ny dika na fanazavana ny lohateny ny vangovango. Ohatra, anaty biografia, tokony misy ny daty fahaterahana ny daty fahafatesana ny vangovango ary ny antony nahafaty ilay olo-malaza ; rehefa manomboka laatsoratra mombana toerana jeografika, ny fisiany sy ny zava-misy any ; sns.
Aveo, azo avelatra ilay foto-pampahalalàna. Ny fikarohana tsy dia lalina aza dia afaka maneho tsara ilay lahatsoratra. Ny tena tsara dia manome fahalalàna momba ilay "sujet" anaty fehezanteny telo na efatea, eo ianao no manao rohy anaty lahatsoratra mba hanampy ny mpamaky mba hamantatra.
Rehefa voaforona ilay vangovango, betsaka ny zavatra mety mitranga, mety misy mpandray anjara hafa mety mameno azy, na mijanona amin'ny satany eo izy raha mbola tsy misy mpikarakara. Sokajio tsara ny vangovango mba ahitana azy.