Valesa Atsimo Vaovao

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Tigris-Australia location New South Wales.svg

Valesa Atsimo Vaovao (amin'ny fiteny anglisy : New South Wales izay afohezina hoe NSW) dia faritany mizaka-tena ao Atsinanan'i Aostralia. Ny faritany manodidona azy dia Queensland, Victoria, ary Aostralia Atsimo. Ny renivohi-paritany dia Sydney izay tanàna be mponina indrindra ao amin'ilay faritany ary ao Aostalia. Ny isam-ponina dia 7,23 tapitrisa mponina izay 34,5%-n'ny isam-ponin'i Aostralia.

Fiavian'ilay anarana[hanova | modifier le wikitexte]

Ny anaran'ilay faritany mizaka-tena dia avy amin'ny faritanin'i Valesa izay fanjakana iray ao amin'ny Fanjakana Mitambatra.

Tantara[hanova | modifier le wikitexte]

Dimy alina taona talohan'ny taona ankehitriny no nisian'ny olona voalohany teo amin'ny faritan'i Valesa Atsimo vaovao.

Ny faritanin'i Valesa Atsimo Vaovao no faritany voalohany indrindra noforonina tao Aostralia. Izy io tamin'ny voalohany dia mandrakotra an'i Aostralia iray manontolo afatsy ny nosin'i Tasmania ary ny faritanin'i Aostralia Andrefana.