Krôasia

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Krôasia
Saritanin' i Krôasia

I Krôasia dia firenena ao Eorôpa Atsimo, ao amin’ ny Saikanosy Balkanika. I Zagreb no renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 56 594 km2 ny velaran-taniny ary miisa 4 284 889 ny mponina tao aminy. Ny faritr' ora dia +1.

Isan-karazany ny endriky ny tontolo manodidina any Krôatia: ny ao avaratra (Slavônia) sy ny ao afovoany no misy ireo tany lemaka ahitana tangoron-tendrombohitra maro; ny tany amorontsiraky ny Ranomasina Adriatika, izay hita amin’ ny ilany andrefana amin’ ilay firenena, dia ahitana nosy mihoatra ny 1 000. Ny tangoron-tendrombohitra Alpa Dinarika dia manamarika ny sisin-tany manasaraka an' i Krôasia amin’ i Bôsnia-Herzegôvina. Misy vondrom-biby arovana ahitana karazam-biby an-dalam-paharinganana ny any Krôasia ka isan’ izany ny orsa volombatolalaka sy ny lopa.

Ny Krôatina na Krôaty no vahoaka maro anisa any Krôasia ; ny Seribiana na Serba no manaraka azy (4 %), ny vahoaka sisa dia ny Bôsniaka, ny Hongariana, ny Slôvena, ny Italiana ary ny Tseky. Ny ankamaroan’ ny mponina dia Katôlika (75 %).

Miompana amin’ ny taozava-baventy ny toekaren’ i Krôasia ka anisan’ izany ny fanodianana ny vokatry ny fambolena ho sakafo sy ny fanamboarana sambo. Mandroso koa ny fizahàn-tany, indrindra eny amin’ ny toerana fandroana amoron-dranomasina ao amin’ ny morontsiraky ny Ranomasina Adriatika.  

Repoblika iogôslava taloha i Krôasia izay nanambara ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991: ny fahefana federaly iogôslava sy ny vahoaka vitsy anisa serbiana tao Krôasia dia nanohitra an’ izany ka teraka ny ady an-trano nandritra ny dimy taona.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.