Zarma (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Zazavavy zarma manao fitafiana nentim-paharazana

Ny Zarma dia vondrom-poko ao Sahel, monina indrindra ao Nizera - izay mahatratra 28 % amin' ny mponina. Hita koa ao Nizerià, ao Benîno, ao Ganà, ao Borkina Fasô, ao Sodàna, ao Kôtidivoara, ao Tôgô, izy ireo nefa vitsy anisa.

Any Nizera, ny Zarma dia matetika heverin' ny vahiny ho mitovy amin' ny Sôngay mifanila aminy, na dia samy milaza ny tsy fitoviany aza ireo vondrona roa ireo, izay samu manana ny tantarany sy fitenim-paritra azy avy. Indraindray izy ireo dia atambatra ho Zarma-Sôngay na Sôngay-Zarma.

Tranobongo zarma nentim-paharazana

Mozilmana ny ankamaroan’ ny Zarma, ary mipetraka any amin’ ny faritra karakainan' i Sahel, manaraka ny lohasahan’ ny ony Niger izay loharano amin' ny fitarihan-drano sy anirian' ny ahitra ho sakafon’ ny biby fiompy, ary rano fisotro. Somary manankarena izy ireo, manana omby, ondry, osy ary rameva, ka mampanofa izany amin' ny Folany na ny Toarega.

Ny Zarma dia nanana tantara momba ny rafitra andevo sy sarangam-poko, toy ny vndrom-poko maro ao Afrika Andrefana. Sahala amin' izy rehetra ireo dia nanana fomban-drazana momba ny mozika ihany koa izy ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]